Edito

Ady amin’ny kolikoly : orinasa Malagasy 5 voasazy


  • Zoma 27 Jona 2014

Tsy misomonga amin’ny ady amin’ny kolikoly ny Banky iraisam-pirenena. Orinasa Malagasy miisa 5 amin’ireo 131 nanaovan’ity rafitra mpamatsy vola iraisam-pirenena fanadihadiana hatramin’ny taona 2012 no ho mankaty mantsy no nandraisana fepetra henjana

Orinasa mampiasa olona eo amin’ny sehatry ny fanorenana ary manana ny foibeny eto an-drenivohitra daholo izy ireo. Fampiatoana amin’ireo asa sahaniny miaraka amin’ireo tetikasa vatsian’ny Banky iraisam-pirenena sy ireo rafitra mpamatsy vola manerantany toy ny Banky afrikanina misahana ny fampandrosoana no sazy mihatra amin’izy ireo hatramin’ny taona 2016, araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra misahana ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena, Stephan Eggli. Mifarana amin’ny filazana ny zava-misy tsy mety no andraikitry ny rafitra, hoy ny manampahaizana tompon-toerana amin’ny Fitantana ara-panjakana ao amin’ny Banky iraisam-pirenena, Anne Lucie Lefebvre. Anjaran’ny governemanta Malagasy kosa no misahana ny fanenjehana ara-pitsarana izay manana ny fiandrianany, hoy ny fanampim-panazavany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT