Mampihoron-koditra ny filazan’ny Filankevitry ny governemanta ny talata lasa teo, fa tena miparitaka be eto Madagasikara ny fitaovam-piadiana, ary misy mihitsy ny mpivarotra sy mpividy azy io an-tsokosoko.
Misy trafikana basy sy bala ary grenady izany eto, raha izany, ary miaiky ny fitondrana fa tsy voafehy izany. Matetika moa rehefa misy krizy ao amina firenena iray no tena miroborobo io fiparitahan’ny fitaovam-piadiana io. Teto Madagasikara manokana dia nisy ny basy sy bala niparitaka tamin’ny 2001 sy 2002. Raha ny filazan’ny manampahefana tamin’izany fotoana dia nahatratra 820 000 ny bala nivoaka avy tao amin’ny "soute à bombe" Ivato. Nampandry tany ary niezaka nikaroka ireo fitaovam-piadiana navoaka an-tsokosoko ny fitondrana Ravalomanana saingy mbola maro ihany no tsy tafaverina tany an-dakazerina. Tamin’ny 2009 ihany koa dia nisy basy nifamezivezy teto, ary nisy koa ny fampidirana fitaovam-piadiana avy any ivelany.
Tena lasa lamaody be ihany koa taty anatin’ny telo taona izao ny hoe miaramila na zandary na polisy mampanofa basy mba hampiasain’ny jiolahy. Ankoatr’io dia mety misy andian’olona mampiditra fitaovam-piadiana an-tsokosoko eto noho ny maha gaboraraka ny fanaraha-maso ny morontsiraka eto amintsika. Raha tsy misy ny hetsika haingana, matotra sady mahomby ataon’ny mpitandro ny filaminana dia ahiana ho lasa ambohipihaonan’ny terorista sy ny mpanao trafikana fitaovam-piadiana i Madagasikara, izay efa malaza any ivelany fa "pays du moramora". Dia ho hita eo indray ny tena fahaizan’ny mpitandro ny filaminana satria efa tena ady mihitsy, izao no atrehana fa tsy fandravana fihetsiketsehana politika eny an-dalambe intsony. Loza amin’atambo ho an’ny firenena sy ny taranaka amam-para izany ka antenaina fa mba tena hanana paikady hentitra hiadiana amin’ity fiparitahan’ny fitaovam-piadiana ity ny fanjakana, fa tsy a hiandrasana indray izay ho filoha voafidim-bahoaka ilay izy.
Lesona tokony horaisin’ny rehetra ihany koa ny hoe : tsy mitondra voka-tsoa mihitsy ny fambolena krizy fa vao mainka mampidi-kizo ny firenena. Rehefa nozarina amin’ny herisetra sy ny fampiasan-kery ny olona, dia tsy misalasala intsony amin’ny fandraisana fitaovam-piadiana h ampiasaina mba hahatongavany amin’izay tanjona iriany. Tsy hadalan’ireo firenena matanjaka ny miandry fifidianana, fa tsy manongana izao rehetra ambara fa masiaka na manao didy jadona rehetra izao. Aty Afrika ihany no mbola andairan’ny fanonganam-panjakana manapotika firenena, ka mila mieritreritra ny rehetra. Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.