Tanterahana amin’ity talata ity ny fanadinam-panjakana voalohany amin’ny alalan’ny CEPE.
Milaza ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena fa efa tomombana ny fanomanana ary tsy misy atahorana ny fitokonan’ireo mpampianatra ao amin’ny SEMPAMA. Ireto farany moa dia mikarakara hetsika ihany koa amin’ity anio ity, ary efa nilaza fa tsy handray anjara amin’ny asa tokony hatao, mandritra izao fanadinana izao. Ho hita eo ary raha ho tomombana sy tsy misy olana marina ny fanadinana, na tsia. Raha toa ka misy ny olana, dia tsy maintsy ho avy ny fifanomezan-tsiny sy ny fifanilihana andraikitra. Raha mizotra tsara moa ny CEPE, dia ho sarotsarotra ihany ny toeran’ireo mpampianatra ao amin’ny SEMPAMA mbola migrevy satria na eo na tsy eo izany ry zareo dia mandeha ihany ny asa. Koa raha izay no izy, tsy hisalasala ny fanjakana handroaka azy ireo. Krizy anaty krizy ny fampianarana eto amintsika, miainga any amin’ny ambaratonga fototra ka hatrany amin’ny oniversite, toa tsy mety ahitana vahaolana ilay izy.
Mbola ny politika sy ny sosialy rahateo moa no mibahan-toerana resahana, etsy sy eroa, koa dia adino tanteraka ny fampianarana. Raha mitohy anefa izao savorovoro sy fitokonana izao dia ho potika ny hoavin’ny mpianatra malagasy, ary ahiana hahazo vahana ny diplaoma baoritra, azo noho ny kolikoly. Na misy, na tsy misy krizy dia tokony ho adidin’ny fanjakana foana ny manao izay hahalavorary ny fampianarana, fa raha sanatria, atao tetezamita koa ny fampianarana dia ...izay no vita, fa atsy aoriana kely atsy izany dia ho maro an’isa ny bado anaty fitondram-panjakana, na ny vahiny no hanjaka sy hamitaka antsika eto. Fihaonana etsy, dinika eroa, fa mba tsy tokony ho hadino tanteraka kosa ny fampianarana, fa atao ahoana moa ny hahatomombana ny fampiasana bileta tokana ? Hahazo vahana foana koa ny fampiadiana sy fampifandrafiana ny vahoaka ataon’ny mpanao politika rehefa bado sy mora fitahana ny vahoaka. Dia tsy hisy fanovana ho tanteraka izany mihitsy eto, satria tsy mivoatra ramalagasy fa miha bado isan’andro !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.