Edito

Adin’ny maizina sy ny mazava


  • Sabotsy 22 Desambra 2018

Tena mitombona tanteraka ny hoe: “adin’ny maizina sy ny mazava” no misy eto amin’ity firenentsika ity amin’izao fotoana izao.

 Ny fifidianana filoha no hitarafana izany satria tsy azo iadian-kevitra fa misy ny mandeha amin’ny fahintsiana sy ny fahazavana fa ao kosa ny nanao sy manao izay fomba maizina rehetra hibatana io fandresena io. Tena manao izay fara-hery amin’ny fomba maloto handrombahana fahefana satria mety efa voafatotry ny fifanarahana maizina, toy ny famarotana mivantana na ankolaka ny tanindrazana ny sasany. Ekena dia ekena tokoa fa nisy ny ampahana Malagasy resiny lahatra saingy tsy hifanomezan-tsiny satria samy nanana ny mason-tsivana nentiny nifidy ny isam-batan’olona. Mety mbola misy ny ampahany resy lahatra amin’ny fampanofinofisana sy ny famendrofendroana satria raha tiana ny hitondra ny fiarahamonina amin’izay tiana hanaovana azy, dia hatao izay haha maty noana azy, ka dia manaraka ambokony sy tsy afa-mitroatra intsony rehefa ampanofinofisina tampoka fa hiova fiadanana ilay fahoriana 9 taona. Na vokisana na hatao maty noana ny olona dia milamina dia tsy afa-mihetsika satria mangina rehefa voky ary malemy rehefa noana, ka ny zava-nisy teto amintsika dia nampahantraina sy nopotehina tanteraka ny maha izy azy. Tsy takona nafenina ny zava-niseho teto amintsika 9 taona lasa izay, fa ireo ampahan’olona nandrombaka fahefana sy ny manodidina azy no niliba sy ny nisitraka tamin’ny harena, fa Ramalagasy kosa nifafa ny kihony sy noana tanteraka. Dia mbola hisy hino ihany ve fa nirotsahan’ny fanahy masina na koa misy fahagagana miseho ka ho lasa anjely tampoka ireo efa hita izao fa ny famotehana sy ny fandravana no tena nataony, ka notakonana tamin’ny kisehoseho ivelany fa hoe nanangan-javatra ho an’ny firenena. Tsy misy handa mihitsy eto, ary tsy hisy hitsangana hiady ho amin’ny rariny sy hitsiny fa matoa misy izany dia efa mibaribary mihitsy ny asan’ny maizina e! Ao anatin’ny ady amin’izany isika izao, ary tsy mora milavo lefona io fa mila herim-po sy herin-tsaina io. Fotoana vao mainka mila ny isam-batan’olona tena mitolona am-bavaka sy mitolona amin’izay fomba rehetra handresena ny ratsy satria tadiavin’ny sasany hoviraviraina indray i Madagasikara.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT