Edito

Adin’ny maizina sy ny mazava…


  • Alatsinainy 10 Desambra 2018

Nitodika tany amin’ny adihevitr’ireo kandida filoham-pirenena ny mason’ny rehetra omaly, ka samy manana ny mety ho fomba fijeriny tokoa.

 Ahafahana mijery ny fahamatorana sy ny toetran’ny tsirairay ireny, izay hita ihany ny toa fisainan-jaza sy ny tsy fanajana raiamandreny. Tsikaritra ihany ny fiezahana handingana ny tantara dia ny raharaha 2009, ary tena nihazakazahana ny resaka famoahana dosie izatsy sy izao mba hoentina hanadiovan-tena sy hanovana resaka rehefa kepoka eo anatrehan’ny porofo tsy azo hialana, fa nitotongana ny fiainan-dRamalagasy taorian’ny fanonganam-panjakana, niakatra ny tahan’ny fanaovana kolikoly taorian’ny 2009, nihapotika ny tontolo iainana,… Mipatrapatraka ny hoe: hanao an’izatsy na izaroa, hono, rehefa tonga eo. Fa maninona izany no tsy natao e? Maninona ny efa nijoro no nopotehina, fa tsy notohizana raha tena ao tokoa ny fitiavan-tanindrazana e ? Anisan’ny teny iray nanitikitika ny hoe: hanome lanja ny vita Malagasy, hono, amin’ny resaka indostria sy fandraharahana. Fa tsy orinasa Malagasy avokoa ve no nizaka ny tsy eran’ny aina norobaina sy nodorona tamin’ny taona 2009 ? Tsy ny orinasan-dRavalomanana ihany fa maro be, ka ny ankamaroany aza tsy tafarina mandrak’androany. Mba firifiry moa ny orinasa Malagasy nivelatra sy afaka nanana ny anarany sy nifaninana tamin’ny an’ny vahiny tahaka ny “Tiko” taorian’ny 2009. Tsy nisy angamba fa nahazo laka sy nanjakazaka ny hafa satria novolena tamintsika ny toe-tsaina “ory hava-manana”, ary nisy ny tia tena nanaiky natao fitaovana hamotika ny Malagasy, ary rehefa nahazo fahefana dia ny harena nangonina aza tsy najanona eto amin’ny firenena fa any ivelany any ? Izany ve tsy azo adika hoe: ny fitiavan-tena sy ny fifamotehana no lehibe indrindra ? Na io haino aman-jerim-panjakana nanaovana adihevitra io aza anie, ka nisy olona nahavita no nitsodrano ny handeha handroba sy handoro an’io e ! Tantara ireny, saingy tsy tantara fe tantara fotsiny ka hiniana havalona fa kosa mason-tsivana iray hisafidianan’ny Malagasy izay hitondra azy hoe: ny mpanangana sa ny mpandrava sy mpandoro ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT