Edito

Adin’ny avo sy iva lenta


  • Alarobia 24 Aogositra 2022

Lalina ny azo andikana ny rivotra mitsoaka sy ny tontolo iainana politika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Mihaja,

diplaomatika, mifono zavatra maro anefa ny fanambaran’ny vondrona eoropeanina farany teo. Raha fehezina amin’ny fomba tsotra dia hoe tsy mbola hamatsy vola fifidianana. Mitaky fikaonandoham-pirenena handraisan’ny rehetra anjara. “Bye bye 2023” kosa no dikany aloha raha atao resaka mivatambatana. Azo antoka fa tsy fanapahan-kevitra tongatonga ho azy ny an’ity vondrona iraisampirenena ity satria rehefa miresaka vondrona Eoropeanina dia toy ny midika tsodranon’ny tandrefana iray manontolo izany. Isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe noho ny fitondrana malagasy mitady hipi-maso amin’ireo mpiara-miombon’antoka ankoatran’ny mahazatra toy ny sinoa sy ny rosianina ve? Mazava ho azy tokoa fa mialohan’ny zava-drehetra aloha dia fiarovana ny tombontsoany no idirany amin’izay lalana izay. Ho fahavoazana sa ho tombony ho an’ny fitondrana mijoro ankehitriny koa ve ny fisian’izay endrika fanerena na “veto”, hoy ny fiantson’ny mpahaitantara azy, avy amin’ny eoropeanina izay? Mbola vintana ho an’ny filoham-pirenena izay tsy nahatanteraka ny tetikasany maro toy ny Tanamasoandro sy ny Miami nefa toy ny navotan’ny Covid 19 indray ve? Isan’ny fanontaniana mipetraka izany ary miaraka amin’ny kisarisary hoe hiitatra indray izany ny taom-piasan’ny filoham-pirenena ankehitriny satria heverina fa tsy vitana 2 na 3 andro izany fikaonandoha hikarohana ny vahaolana eto izany. Hiverina ve ny kisarisary toy izay notantanan’ny praiminisitra Guy Willy Razanamasy ny taona 1991? Ny eo anivon’ny fanoherana aloha hatreto dia efa saiky milaza ho manana antoka mihitsy fa tsy azo hihodiviran’ny fitondram-panjakana iny politika avo lentan’ny vondrona eoropeanina iny ary tsy maintsy hanaiky ilay fikaonandoha izy. Etsy ankilany ny politika voizin’ny seraseran’ny fitondrana izay hitan’ny mpanara-baovao handrendrehana ny saim-bahoaka na ilay antsoina hoe “diversion”, mba tsy hilazana hoe handrendrehana ilay valalabemandry tsy mahay mamaky teny sy manoratra akory indray ny atsasa-manilany na koa hoe politika iva lenta, manoloana izany dia ny resaka fakana sary ny entan’ny filoham-pirenena, ny hoe miasa mafy ny filoha na dia hiara-mahita fa tsy vita aza ny androan-tokon’ny velirano, mitsinjo vahoaka ny fitondrana na dia tsy misy politikan’ny famoronana sy fampananan’asa mazava hatramin’izao aza eto fa famotehana ny efa misy, hoy ilay mpanao politika iray izay. Adin’ny avo sy iva lenta izany izy ity ka dia asa izay hiafarany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT