Tantara mitohy mahaliana ny mpanara-baovao manomboka izao ny fifanolanan’i Alain Ramaroson sy ny ampahany amin’ireo manampahefana ao amin’ny tetezamita, taorian’ny nanononan’ity filohan’ny vaomieran’ny filaminana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny CST ity, anarana manampahefana ambony vitsivitsy nambarany fa tompon’antoka tamin’ny ambadiky ny famonoana ny minisitry ny mponina teo aloha.
Samy tsy hisy hanaiky hilefitra mora foana raha ny fahitana azy, satria mety samy mihevitra fa samy matanjaka. Tena adin’ny samy be loha ity mitranga ity, hoy ny be vazivazy. Efa am-polony taona no nahafantaran’ny teto Antananarivo ny toetran’i Alain Ramaroson. Zovy koa ny tsy mahalala an’izany jeneraly Richard Ravalomanana izany tamin’ity tetezamita ity ? Efa mazava amin’ny maro fa olona akaiky an’i Andry Rajoelina izany i Hajo Andrianainarivelo izany, ka na ho vy na ho vato dia tsy hamela irery azy, i Andry Rajoelina. Raha atao indray mitopy maso koa dia olona mahalala zavatra maro tamin’ny fanonganam-panjakana nisy teto sy mahafantatra tsara ny aty vilanin’ny fitondrana FAT ireto, toa mifandramatra ireto. Tena azo ambara mihitsy fa tranga iray, tsy maintsy hanova zavatra maro amin’ireo samy mpiara-dia amin’i Andry Rajoelina ny fahafatesan’i Nadine Ramaroson sy ny filazan’ny fianakaviany fa novonoina izy.
Efa tonga amin’ny tsotsori-mamba isarahana ny fahitana ny roa tonta, koa tsy nahagaga raha nodian’ny governemanta sy prezidansa fanina, tamin’ny hetsika nataony mba ho fanampiana ny any atsimo i Alain Ramaroson, teo aloha kely teo. Ary raha ny fahitana azy dia mety hivoaka tsikelikely amin’izay ato ho ato ireo karazana dosie momba azy, eny amin’ny fitsarana eny. Maro sahady no maminavina ankehitriny fa mety hopotehana tsimoramora ity filohan’ny vaomieran’ny filaminana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny CST ity, raha mbola mikiry manohy io zavatra natombony io. Efa tena mazava ireny fanambaran’ny foloalindahy sy ny governemanta afak’omaly ireny e ; ary ny tsapa koa dia miady irery aloha hatreto i Alain Ramaroson fa tsy mbola nisy ny mpanao politika, na parlemantera na fikambanana manohana azy, amin’ilay ambarany fa fikarohana ny tena marina momba ny nahafatesan’ny zana-drahalahiny. Raha tsy voalamina ity resaka ity dia mety hanaratsy endrika kokoa, indray ny fitondrana tetezamita amin’ny ankapobeny, sy ny ankolafy Rajoelina manokana ary toa manaporofo fa misy zavatra tsy milamina eto e ! Mandeha ny trafikana boaderozy sy volamena, dia misy anarana olona ambony voatonona. Eo koa ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany an-tsokosoko, dia misy anarana manampahefana voatonona; ilay resaka fandefasana olona hiasa tany Liban dia efa nahavoatonona anarana mpitondra tao amin’ny tetezamita ihany koa. Izao indray dia minisitra sy manamboninahitra jeneraly no voatonona ho niketrika ny famonoana minisitra iray hafa.
Tena henjana ny zavatra miandry ny fitsarana, izay tompon’ny teny farany satria efa tonga eny ny dosie rehetra, ka manantena ny hivoahan’ny tena marina ny olona, ka raha novonoina marina ny minisitra Nadine Ramaroson dia avoahy ny anaran’ireo rehetra nahavanon-doza, na minisitra izy, na manamboninahitra, na tale na olon-tsotra, na sivily na miaramila. Raha sanatria ka namorona mba handotoana olona fotsiny kosa ny fianakaviana Ramaroson dia misy ny lalàna afaka ampiharina amin’izy ireo ihany koa. Enga anie ka mba ho hita ny marina amin’ity raharaha ity, fa tsy sanatria zavatra natao hanintonana ny sain’ny olona sy handrebirebena saim-bahoaka fotsiny ilay izy, fa rehefa avy eo toa alamina tsimoramora any ambadimbadika any indray.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.