Edito

Adin’ny kanosa !


  • Alakamisy 15 Desambra 2016

Tsy manomboka akory ny ady dia efa mipararetra ny fanjakana ankehitriny.

Tetehin’izy ireo mafy ny handresy tsy miady amin’ny alalan’ny sakantsakana atao amin’ny mpifanandrina amin’ny tena tsy ho tonga eo ambony ringan’ny fifidianana. Kotrehina avokoa ny fomba rehetra hanilihana ireo kandida atahorana mafy satria efa fantany fa tsy ho lany izy ireo raha mbola misy ny salovan-tavan’ireo olona azo hambara ho matanjaka ireo. Raikitra sahady ny fivadiham-pitokisana tamin’ny fepetra napetraky ny mpamatsy vola amin’ny tokony hisian’ny fitoniana politika eto amin’ny firenena. Anisan’ny tena nivoitra ny hanaovana fifidianana malalaka sy mangarahara hahafahan’ny rehetra mirotsaka saingy efa izao manao adin’ny kanosa izao sahady ny fitondrana HVM. Nampidingin-drambo an-dRajaonarimampianina sy ny ekipany ny fampanantenan’ny mpamatsy vola hampindrana volabe 10,2 miliara, ka vao mainka mahazo vahana indray ny fananganam-pahavalo sy fihantsiana ady ankitsirano. Tsy takatry ny sainy ve hoe tsy mivoaka ny vola rehefa tsy feno ny fepetra ? Mihevi-tena tsy ho tratry ny aloka ny fitondrana ankehitriny ary manasokajy ny hafa ho dondrona sy kentrina, ka hanaiky foretina lava eto. Mbola minia mangina aloha ny rehetra hatreto, saingy ny voay handrapaka tsy mba mampiomana, ary fomban’ny kanosa no mody manangam-bovona. Ny ampitso no hamaritra ny ho tohin’ny tantara !

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT