Edito

Adin’ny kanosa


  • Sabotsy 19 Jolay 2014

Sahiran-tsaina momba ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny fitondram-panjakana ka manomboka manao zavatra hafahafa. Ny olona izay niresaka, niady hevitra na naneho hevitra hatry ny omaly mantsy dia tsy resy lahatra firy tamin’ilay filazana ofisialy fa hoe nisy nipiraty ny adiresy mailaka na ny solosaina tao amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny.

Maro no nihevitra fa karazana tsapan-kevitra fanahy niniana natao iny mba hahafantarana ny ho fihetsiky ny olona. Mety miverina indray izany ny sinema fanaon’ny fitondrana FAT ankehitriny ary mety fanadalana saim-bahoaka sy tetika hampitoniana ny zanak’i Dada fotsiny ny nilazana fa afaka mody eto Atoa Ravalomanana fa fandaminana sisa hatao. Inona moa no tsy hanambaran’ny fitondram-panjakana mazava ny tena heviny ? Mody afaka enim-bolana na roa taona na tsy mbola afaka mody mihitsy aloha ve ity filoha teo aloha ity ? Matahotra ve i Hery Rajaonarimampianina fa hanohitra azy ny ankolafy Ravalomanana raha mitsotra fa tsy afaka mamela an’i Dada hody an-tanindrazana izy ? Mbola marefo rahateo ny herin’ny antoko HVM ka tsy maintsy mandeha ny paikady politika mba hahamarin-toerana ilay fitondrana. Raha amin’izao mantsy no mivadika ho mpanohitra ny ankolafy Ravalomanana dia mety ho zava-doza ho an’ny fitondrana izany. Ny Mapar tsinona tsy tena azo ianteherana. Porofo vaovao indray izao fa tena miankina amin’ny fanapahan-kevitra  politika tanteraka ny fodian’i Marc Ravalomanana eto Madagasikara. Haingon-tsehatra fotsiny ilay resaka raharaham-pitsarana fa politika no tena mibahan-toerana amin’io. Tsapa ihany koa fa manao adin’ny kanosa ny fitondrana, mampiresaka, miezaka mampitony ny sain’ny an-daniny sy ny an-kilany. Manam-petra anefa ny zava-drehetra ary tsy azo ampiesonina mandrakizay ny olona.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT