Edito

Adiadin’ny mpifankatia


  • Talata 22 Desambra 2015

Andro sisa isaina dia hivalona ho tantara ny taona 2015. Matroka ny hoavy, raha tarafina amin’ny zava-nitranga sy niainana nandritra ity taona 2015 ity.


Taona izay nanjakan’ny fifandirana teo amin’ny samy andrim-panjakana sy fifanenjehana eo amin’ny samy mpitondra. Nisongadina tamin’ireny ilay “motion de déchéance” nikasan’ny depiote hanonganana amin’ny toerany ny filohan’ny Repoblika. Navotan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana tamin’ny ora farany ity farany. Nitodika teny Mahazoarivo indray ny depiote, ka nirosoany tamin’ny “motion de censure” ho fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Avotra tampoka amin’ny ora farany ihany koa teto izy ireo. Rehefa samy tsy voaongana tamin’ny toerany, dia namaly faty indray ny mpanatanteraka ka manenjika ny depioten’Ankazoabo Atsimo ho mitsikomba amin’ny dahalo. Miray hina miaro ny namany ny depiote. Tampina ny daomy hatreto. Valalanina ny Vahoaka, izay mihamahantra andro aman’alina satria variana amin’ny adilahy politika ny mpitondra. Toa tsy adin’ny mpirafy anefa fa adiadin’ny mpifankatia ihany.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT