Edito

Adala ve no hitantana e ?


  • Talata 28 Jolay 2015

Misy ny kandida milaza fa manaja ny fahafahana maneho hevitra sy ny fahalalahana ary hoe hanakafaka an’Antananarivo hon

 


o.Tsara resaka isaky ny manao propagandy, talentany rahateo moa ny miresaka sy mampiresaka..tsotra aminy ny mamakafaka sy manao tombatombana.Fa moa ve ampy hitantanana ny tanàna izany ? Sarotsarotra ho anay ihany ny hahatoky olona be resaka tahaka ireny hoy ny sasany, ao koa ireo olon-tsotra mihevitra fa mbola tanora saina loatra ka tsara raha miandry sy manovo fahalalana tsara aloha ity kandida ity vao tena miditra amin’ny sehatra politika.Mbola tsaroan’ny maro ihany koa ny fihetsika azo ambara hoe feno adalana sy tsy ampy fandinihana nataony ny 17 martsa 2009 ka namelahany tehamaina filoham-piangonana, zava-doza roa sosona sarotra adinoina izany hoy ny raim-pianakaviana iray satria sady fanaovana tsinotsinona zoky ray aman-dreny miampy fanevatevana ray aman-dreny am-panahy.Olona tahaka izany ve no hisora-tena fa mendrika hitantana ny renivohitr’i Madagasikara ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT