Dingana iray goavana tamin’ny revolisionina volomboasary notarihan’i Andry Rajoelina ny tamin’ny sabotsy 7 febroary 2009, niainga teny amin’ny kianjan’ny 13 ireo nantsoina hoe mpitolona tamin’izany fotoana, ary nanana tanjona ny hiakatra eny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Tsy nanaraka ny daholobe i Andry Rajoelina tamin’io fotoana io fa nandeha nody avy hatrany vantany vao vita ny hetsika teny an-kianja. Ny jeneraly Rasolosoa Dolin, niaraka tamin’i Monja Roindefo ary ny mpanentana Sareraka no nitarika ny olona hiakatra teny Antaninarenina. Nanjavozavo ihany ny anton’ny dia, fa ny nalaza tamin’izany dia ny hametraka ny praiministra ao an-dapa, ary hanao sit-in manolona io lapa io ihany koa. Nisy ny fifampiresahan’ireo nitarika ny olona tamin’ny tompon’andraikitry ny mpitandro ny filaminana. Nahitsy sy nazava ny tenin’ireto farany : “Miverena ianareo, resaho ny olona miaraka aminareo mba hiparitaka, fa faritra mena ity, ary tsy azo atao ny miditra ao anatiny, na ahoana na ahoana mety ho antony !”.
Tazana niverina avy eo ny jeneraly Dolin saika hifampiresaka mivantana tamin’ireo andian’olona teny Antaninarenina izay maro no hita sy tsikaritra fa efa romodromotra sy tahaka ny nentin-javatra izany. Tsy tanteraka anefa io fampitam-baovao io, satria nisy ny olona nanao hiaka tokana hoe : “andao amin’izay e !”. Dia nirohotra ny olona nihazakazaka hiditra ao amin’ny lapa, ary nirefotra ny basy. Maro be ny resaka momba azy io. Nisy ny nilaza fa toerana maromaro no niavian’ny tifitra, dia avy ao an-dapa, avy aty aoriana tao anatin’ireo olona, tamin’ny sisiny roa amin’ilay arabe. Maro no voatifitra, nisy ny maty tsy tra-drano, tao ireo naratra sy tena voa mafy, tao ny mbola afaka nihazakazaka nitsoaka ihany na dia tratry ny taim-bala aza. Korontana sy savoritaka ny teny Antaninarenina sy ny manodidina. Haingana be ihany koa ny fandehan’ny raharaha, ary nampiasa ny fahaiza-manaony ny haino aman-jery miara-dia amin’i Andry Rajoelina nilaza sy nandresy lahatra ny rehetra fa namono olona ny fitondrana Ravalomanana ka tsara aminy ny miala avy hatrany.
Ny ampitson’io, izany hoe ny 8 febroary no nametra-pialana ny minisitry ny fiarovana tamin’izany, Rtoa Cécile Manorohanta, izay nahazo toerana tao amin’ny governemanta Roindefo taty aoriana. Nitarika fametraham-pialana na fanolona ministra sy tompon’andraikira ambony maro teo amin’ny fitondrana tamin’izany fotoana ny raharaha 7 Febroary, izay nitranga roa herinandro taorian’ny “lundi noir”. Efa nisy ny raharaham-pitsarana momba ity tranga ity, ary nisy ny miaramila sy zandary ary polisy nampidirina am-ponja. Atoa Ravalomanana no ambaran’ny FAT fa tena tompon’andraikitra voalohany tamin’iny raharaha iny. Tsy manaiky izany anefa ny mpomba ity filoha teo aloha ity ary manitrikitrika fa tetika maty paika efa voaomana iny. Sinema no natao, ary maro ny olona voakarama hiakatra teny Ambohitsorohitra, satria nosasana atidoha sy nomena toky, fa efa miaraka amintsika ny foloalindahy ary tsy misy sahy hitifitra izany eny.
Ny amiraly Ratsiraka koa dia efa nanamafy fa nisy olony, hono, niakatra teny nanampy an’i Andry Rajoelina. Toa manamafy izany koa ny ampamoaka nataon’ireo manamboninahitra roa mifonja eny Tsiafahy. Nitsefotra anefa ilay ampamoaka, hatreto aloha, satria taorian’ilay izy dia vao niha mafy orina ny toeran’i Andry Rajoelina amin’ny maha filohan’ny tetezamita azy. Ny ONU aza manaiky azy hanatrika ny fivoriambeny amin’ny septambra any New York. Ilay fikambanan’ny niharamboina kosa, ny AV7 io, dia nikorontana sy nisavorovoro noho ny resa-bola. Mibaribary ihany koa ny ady seza tamin’ireo mpitarika. Roa taona katroka taorian’ny 7 febroary 2009 dia tsy mbola tafavoaka ny ala mikitroky ny krizy sy ny fahasahiranana i Madagasikara. Resaka sy fampanantenana no betsaka hatreto, fa raha izay hoe fiovana aloha, dia tsy mbola azo tsapain-tanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.