Edito

3000


  • Alatsinainy 29 Jolay 2019

Laharana faha 3000 ny gazety Tia Tanindrazana tonga eny am-pelatananao amin’ity alatsinainy 29 jolay 2019 ity.

 

 

 

Folo taona lasa no efa nisian’ny gazety sy nijoroany ary nahasahiany niteny ny zava-misy marina eto amin’ny firenena.Tao anatin’ny vanim-potoana nampamaivay ny tontolo politika no niseho masoandro ny gazety Tia Tanindrazana dia ny volana septambra 2009 izany fony fitondrana tetezamita.Ankehitriny moa dia ny mpitondra tamin’izany ihany no tafaverina indray eo amin’ny fitantanana ny firenena.Tsy sanatria fanenjehana olona, tsy fankahalana mihitsy, fa kosa faharesen-dahatra fa tsy maintsy hizarana ny zava-misy marina fa tsy ny zavatra tiana ho fantany na sokajiana fa zakan’ny sainy fotsiny ny Malagasy, izay no risika mbola mampandeha hatrany ity gazety ity.Tsy misy zavatra mora izany ety ambany masoandro, ary vao miha mafy ny hoe miasa ho an’ny Tanindrazana sy manokatra ny masom-panahin’ny mpiara-belona.Rehefa tsy ataonao anefa io dia ny hafa no hanohy ny fanabadoana anao sy ny taranakao eto.Nametraka ary mbola hametraka ny anarany eo amin’ny tantaran’ny asa fanaovan-gazety sy ny tantaram-pirenena ny Gazety Tia Tanindrazana.Mankasitraka tanteraka ireo mpiray Tanindrazana, na eto an-toerana na any ivelany nizara vaovao sy tsara ho fantatra ary nankahery hatrany.Nisy ny mpiara-miasa efa nandalo fitsarana, niditra am-ponja, eny nisy namoy ny ainy mihitsy aza.Tsy ho voafintina eto ny 10 taona niainana fa ny toky azo omena dia ny hoe mbola mitohy ny tantara ary tsy maintsy sahy mijoro sy miteny ho an’i Gasikara isika eny fa na dia mety tsy mahafaly ny hafa aza izany.Tsy ny hahatezitra na hahafaly rahateo no atao eto fa ny hampivoatra sy hampandroso mba hananana fiainana tsara kokoa ao anatin’ny fahamarinana sy ny fahamendrehana, ary indrindra mba hahafantatra an-tsakany sy an-davany ny zava-misy eto amin’nyy fireneny ny Malagasy fa tsy atao mpandatsa-bato isaky ny mihetsika fotsiny.Tanjona ny olom-pirenena tompon’andraikitra ary sahy mandray andraikitra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT