Edito

29 martsa isan’andro !


  • Talata 06 Aprily 2010


Horaketin’ny tantara ny 29 martsa 2010. Nibaribary indray fa tsy manaiky hankatò mpanongam-panjakana ny tia tanindrazana. Tebaka imaso mivaivay no azon’i Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita izay nitetika hisalotra ny hasin’ny 29 martsa 1947. Sazim-bahoaka fitsipahana ary tsy fankatoavana, tsy fahita izany. Tsy mandingana andro akory anefa ny 29 martsa dia manao “oui m’se” amin’ny Frantsay indray fa hoe hanao ny fifidianana. Fifidianana sa fanamasinana fandrombaham-pahefana ? Inona moa izay fifidianana amin’i Andry Rajoelina, no ankehitriny indray izy sy ny mpiara-dia aminy no toa miezaka mafy hanome toky hanao izay anatin’ny mangarahara sy azo itokisana. Ny atao no hita. Ny nataony ihany no nahitantsika fa tsy mena-mivadika tsy azo itokisana, tsy manaja na ny sonia nataony izy tenany teo anatrehan’izao tontolo izao.

Fifidianana no nampakaran’ny vahoaka an’i Marc Ravalomanana ho Prezidan’ny Repoblika fa tsy nisy fotony tamin’i Andry Rajoelina sy ny Capsat izany. Norombahany ny fahefany.
Fifidianana no nanendren’ny vahoaka ny Depiote sy ny Senatera fa tsy olana tamin-dry Andry Rajoelina. Noravany ny Antenimiera roa tonta. Ka fifidianana inona ity resahin’ny olona hita izao fa tsy mahatanty demokrasia ? Takon-kenatry ny fanonganam-panjakana nataony angamba ny fifidianana amin’i Andry Rajoelina fa tsy tena fifidianana. Ny Frantsay ihany koa sisa mbola te-hitazona azy amin’ny tetezamita, fa efa fantatra ny lalan-kivoahana. Fitondrana tetezamita mizaka ny sata vita tenierana tany Maputo notovanana tany Addis : izay ihany no afaka hampanao fifidianana itokisan’ny mpiray firenena ary ankatoavin’ny firenen-drehetra. Koa tsy hahagaga raha 29 martsa isan’andro ny eto rehefa tsy mbola tanteraka izany.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT