Edito

26 jona hafa kely


  • Alatsinainy 14 Jona 2010


Higadona afaka hafoloana ny datin’ny 26 jona, hankalazana ny fetim-pirenena sady faha-50 taonan’ny niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena rahateo. Hatreto dia tsy hita soritra loatra ny hafanampon’ny Malagasy hankalaza izany, raha tarafina amin’ny fahalainan’ny olona manangan-tsaina. Zara fa misy saina mitsangana. Tsy eto an-drenivohitra ihany no tsikaritra izany fa saika manerana ny Nosy mihitsy. Manahy ny mpitondra FAT sao hihanjahanja eo Mahamasina amin’io andron’ny 26 jona io. Zavatra mety hitranga mantsy dia ho feno olona ihany ao Mahamasina, saingy ireo tsy mankasitraka izao fitondrana izao no mety ho betsaka, koa raha hifampitaona hivoaka ny kianja izy ireo amin’ny fotoana hahatongavan’ny mpitondra FAT dia hangadihady ny toerana ary dia hafahafa ihany no fahitan’ny any ivelany izany, ary dia ho fahafaham-baraka ihany koa. Efa nisy tranga toy izany rahateo tamin’ny andron’ny Hery Velona Rasalama.

Hisorohana ny mety hiverenan’izany dia tsy hatao hahagaga raha hampakatra olona avy any amin’ny Faritra ny FAT hamenoana ny toerana. Azo antoka, raha izay no izy, fa hifampizaran’ny Faritra sy ny Minisitera isan-tokony ny fampakarana izany olona izany sy ny fijanonan’izy ireo eto an-drenivohitra. Amin’izay dia ny fanomezana endrika ny firaisam-pirenena no mety hambara fa antony, na dia ny ahiahy ny hahitana an’i Mahamasina hangadihady aza no mampanahy be ihany. Dia hotakonana amin’ny fampisehoana rindran-kira ny fotoana. Hivoha hidanadana handraisana izany rahateo ny kianjaben’i Mahamasina raha nambara fa natokana hanaovana fanatanjahantena ihany. Eto izany dia tsy ahiana hanimba bozaka intsony ny mpifety ao Mahamasina raha toa ka nihidy ho an’ny hetsika politika io toerana io hatramin’ny septambra 2009. Ho 26 jona hafa kely raha izany ity indray mitoraka ity.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT