Edito

26 Janoary


  • Alarobia 26 Janoary 2011


Roa taona sahady izay no nitrangan’ilay fandrobana goavana teto amintsika. Antananarivo renivohitra no niandohany ary niparitaka tany amin’ny tanàn-dehibe maro manerana ny nosy izany. Nifampitaona tahaka ny fanaony teo amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’io alatsinainy 26 janoary 2009 io i Andry Rajoelina sy ny mpomba azy. Nafampana ny fanentanana na dia vitsivitsy aza ny olona tazana teny. Vetivety dia nirava ny teo an-kianja, tany ho any amin’ny 11 ora sy sasany tany, nanomboka nivondrona ho andiany ireo zatovo lahy, ary samy nanana ny lalany. Tsy mbola nisy nanahy na inona na inona teo, fa rehefa nahita olona misimisy ihany nitangorona tamina toerana voafaritra mazava tsara ny teny amin’ny manodidina vao somary taitra.

Tahaka ireny amin’ny lalao baolina kitra ireny ny fizotry ny raharaha rehefa avy eo, nisy ny mpanome baiko tao ny nitsoka sifle mihitsy dia raikitra ny famakiana sy fanalana ny hidin-trano tamina magazay sy toeram-piasana ary tranon’olona maro teto Antananarivo renivohitra. Raikitra avy hatrany ary ny fandrobana teny Analakely, Soarano, Behoririka, Ankorondrano, Anosy, Anosibe, Anosipatrana, Tanjombato, ka lasibatra manokana ny fananan’ny Groupe Tiko izay tena voaroba sy nopotehana ary nodorana tanteraka. Niharan’izany hasomparana izany koa ny foiben’ny Televizionina sy ny radiom-pirenena Malagasy teny Anosy, ary ireo tranombarotra goavana teto an-drenivohitra. Ny an’ny teratany Malagasy sy Sinoa no tena nitondra faisana, nahagaga fa tsy nisy voakitika mihitsy ny fivarotan’ny Karana sy ny Frantsay.

Dia samy nibata izay tiany ny rehetra, ary nisy mihitsy aza no nitondra fiara be sy niverimberina matetika naka ireo entana, tsy nanavahana olona izany fa dia hita tao avokoa ny sokajim-piarahamonina rehetra, na ny manan-katao, na ny antonontonony indrindra fa ireo tena sahirana. Nitazam-potsiny ny mpitandro ny filaminana, nisy ny naratra, maro be ny namoy ny ainy noho ny fifanosehana sy ny fikoropahana, tao koa ireo maty voatsindrin’ny gony. Savorovoro sy korontana tanteraka no nitranga teto an-drenivohitra, ary voalohany no nisian’izany teto hatramin’izay 400 taona nisian’ny tanànan’Antananarivo izay. Tsikaritra tamin’io 26 janoary 2009 io fa efa tena voazara tsara mihitsy ny asan’ireo mpandroba, ka eo ny mpitarika, tao ny efa nitondra fitaovana handrobana ny trano, ao ireo mampirisika ny olona haka ny entana, dia misy avy eo ny mandraraka lasantsy handorana ny trano voaroba, dia tahaka izany hatrany ny fomba fiasa.

Koa raha izany rehetra izany no dinihana dia tsy marina velively ny filazana fa noho ny hatezeran’ny vahoaka no nitrangan’iny, na hoe tampotampoka fa efa tao anatin’ilay drafitra hanakorontana sy hampatahorana ny mpitondra ary hanonganana azy avy eo. Tsy natao an-kitsapaka tsy akory ireo toerana norobaina sy nodorana fa efa voafaritra mialoha ary misy antony mazava tsara. Roa taona izay no lasa, tsy mbola fantatra ny tena marina tamin’ny raharaha 26 janoary. Minia mikipy ny fitondrana tarihan’i Andry Rajoelina manodidina iny raharaha iny, ary tsy nanao ezaka mihitsy na dia iray aza hikarohana izany marina izany. Sa izay marina ve ilay hoe «tsy tafita ny tolona raha tsy misy ra latsaka ?», araka ilay ampamoakan’ireo manamboninahitra any Tsiafahy. Ary tsy fantatra na fifanandrifian-javatra, na ahoana fa roa herinandro taorian’iny dia nitranga indray ny raharaha 7 febroary, mbola nilatsahan’ny ra indray ! Tsy hita anefa izay hoe tolona tafita sy fiovana goavana, ary ilay naongana aza efa manangasanga sahady indray ny fiverenany eto an-tanindrazana.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT