Edito

14 jolay


  • Alakamisy 03 Jona 2010


Miaramila malagasy 40 mirahalahy avy amin’ireo rezimanta rehetra misy eto Madagasikara no handray anjara amin’ny matso lehiben’ny 14 jolay, fetim-pirenena frantsay ao Parisy. Toa efa nahazo ny fanasana ho amin’izany ny minisitry ny fiarovam-pirenena ny jeneraly Rakotoarimasy André Lucien. Ankoatra ny maha fetim-pirenena Frantsay azy ny 14 jolay moa, dia hiavaka kely ny amin’ity 2010 ity satria manamarika ny faha–50 taonan’ny nanomezana fahaleovantena ireo zanatany Frantsay taty amin’ny kaontinanta Afrikanina. Ity izany no fotoan-dehibe faharoa eo amin’ny mpanjanatany sy ny zanatany fahiny, taorian’ny fihaonana an-tampon’ny Afrika – Frantsa tany Nice ny 31 mey lasa teo. Araka ny fanazavana avy eo amin’ny minisiteran’ny fiaraha-miasa Frantsay moa dia natao indrindra izany hanamarihana fa tsy manadino ireo zanataniny fahiny tsy akory i Lafrantsa fa vonona hatrany ny hifanome tanana sy hanampy azy ireo. Fantatra fa tsy maintsy namitram-pihavanana tamin’ny kaontinanta Afrikanina ihany ny filoha Nicolas Sarkozy na dia tsy dia nazoto firy tamin’izany aza. Miha matanjaka aty Afrika koa mantsy ny diplaomasia Amerika sy Sinoa ka tsy maintsy nihetsika ny Frantsay raha tsy te ho very fihinanana. Na dia tsy voaasa ara-pomba ofisialy tany Nice aza moa ny Fahefana Avon’ny tetezamita, noho izy tsy eken’ny sehatra iraisam-pirenena dia mazava izany izao fa hanao matso ao Parisy ny miaramila malagasy amin’ny 14 jolay. Tsy mbola fantatra mazava kosa anefa hatramin’izao na hasaina hanatrika ity fotoan-dehibe ity na tsia ny filohan’ny HAT Andry Nirina Rajoelina. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT