13 taona katroka anio no nitrangan’ny asa fampihorohoroana goavana, tsy roa ama-tany tany New York sy Washington – Etazonia ka nampirodana ny trano mijoalajoalan’ny World Trade Center, ary nahasimban’ny Pentagone
, havokavoky ny fiarovana ny firenena Amerikanina. Manodidina ny 3 500 no voalaza fa maty tamin’iny 11 septambra 2001 iny, ary tsy tambo isaina hatramin’izao ny takaitra navelany, na ara-batana io na ara-tsaina na ara-pahasalamana ho ana teratany Amerikanina an’aliny. Nanova tanteraka ny fiainan’izao tontolo izao iny tranga iny ary nampiditra an’i Etazonia tamina karazana tany Irak, Afghanistan, ady izay tsy mbola mety mifarana hatramin’izao. Nanomboka nalaza teo ihany koa ny voambolana hoe :ady amin’ny asa fampihorohoroana, nisantatra azy ny filoha George Walker Bush, ary mbola manohy azy ny filoha Barack Obama hatramin’izao. Efa maty ary nalevina 20 km any ambany ranomasina i Oussama ben Laden, ilay mpanefoefo Saodianina, filoha mpanorina ny fikambanana Silamo al Qaida ary tompon’antoka tamin’ny 11 septambra 2001. Tsy nampitsahatra ny herisetra anefa izany ary ady iray vavao mihitsy indray no misy ankehitriny satria nipoitra tampoka ary tena tonga masiaka ny « Etat Islamique » na EI any Iraka. Manomboka mitovy hevitra hanambatra ny hery ka hiady amin’ity vondrona Silamo ity indray ny tandrefana ankehitriny, tsy fantatra hoe inona no mety hiafarany, ary na ny Amerikanina sy ny Iraniana aza dia lasa mpinamana tampoka ary nifanome tanana handrava ny EI. Niatrika fiovana mahery vaika ihany koa i Madagasikara tamin’ny 2001-2002. Nisy tsirim-panantenana fa mba hihatsara amin’izay ny fiainan-dRamalagasy, indrisy anefa fa nofy sisa izany ankehitriny, potika ny firenena, miorohoro isan’andro ny vahoaka, tsy manam-bahaolana mazava ny mpitondra. Ary mahoraka fa efa misy zatovolahy malagasy miondrana any amin’ny firenena arabo ka miofana hanao Jihad ary ho lasa mpanao asa fampihorohoroana hanohy ny asan-dry Ben Laden indray atsy ho atsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.