Edito

126 taona mahery izay


  • Alarobia 07 Septambra 2022

Mifampihazohazo! Tsy mafana, tsy mangatsiaka. Ny mpanohitra maka toerana hitenenana sy hitabatabana lava dia hatreo. Ny mpanohana ny fitondrana moa dia midera lalandava ny fitondrana mijoro na mety na tsia no ataony.

Ny manodidina ilay filoham-pirenena foana no lazaina fa misy mpanohariana. Tsy mahagaga ilay filoham-pirenena raha mihevitra fa mizotra any amin’ny lalana tokony ho izy ny tenany na dia maro aza ireo mikaikaika manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana, ny vidin’ny fitaovam-pianarana, ny kere, ny tsy fandriampahalemana, hatramin’ny fianakaviambe iraisampirenena toy ny vondrona eoropeanina sy ny banky iraisampirenena ary ny tahirim-bolam-pirenena aza miaiky fa mitombo ny tahan’ny fahantrana sy mahantra eto amin’ny firenena. Mandeha anefa ny asa fampandrosoana, hoy ireo mpiaradia amin’ny filoham-pirenena, tsy rototra. Aty amin’ny tontolon’ny serasera izany moa dia efa ny Reporter sans frontière izao no namoaka ny fanadihadiana nataony fa mikodiadia ary amin’ny rambony ary ny fahalalahana hiteny sy haneho hevtra eto amin’ny firenena saingy tsy mety miaiky mihitsy ilay fitondrana hoe tsy nahomby ny fitantanany. Voamarina eo amin’ny sehatra rehetra izany ankehitriny. Sosialy, politika, toekarena, kolontsaina. Soa fa eo ny fanatanjahantena, hany sisa mba miaro ny voninahim-pirenena. Ho aiza anefa isika? Iaraha-mahalala izany fa matoa mbola tsy mety misy tokontaniny ny tontolon’ny fiarovana ireo vahoaka malagasy miaro ny taniny, mbola tsy misy tokontaniny ny resaka nosy manodidina dia satria na iza na iza izany hilingilingy handray fitondrana manaraka eo dia mbola mila mamaha ny olana nisy hatramin’ny andron’ny “Charte Lambert” izy aloha. Olana efa tamin’ny 126 taona mahery!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT