Edito

11 andro monja !


  • Alarobia 11 Janoary 2023

Mandeha ny fotoana! Mandeha mihazakazaka koa ny fivoaran’ny toe-draharahara eto amin’ny firenena.

Nirifatra mihitsy aza izany tao anatin’izay 11 andro monja niatombohan’ny taona 2023 izay ary ahitana tranga miha mampanahy sy mampivarahontsana isan’andro mihitsy. Anaty 11 andro monja ianao dia efa nahita fitokonana faobe ataona rafi-panjakana sahady. Mpampaneno lakolosy nampidirina am-ponja. Naverina am-ponja moa no marimarina kokoa. Ny rano maloton’ny JIRAMA amin’ny faritra sasany efa mampitaraina mponina sasany mihitsy fa lasa tena ranom-potaka fa tsy maloto toy ny mahazatra azy ireo isan’andro intsony. Mirongatra ny kere ary ny tena efa mihoatra ny krizy mihitsy moa, hoy ny mpamakafaka sasany izay, ny zava-misy eto satria dia iny niaraha-nahita omaly iny izany ny zava-misy any amin’ny ilany atsimo atsinanana rehetra mihitsy dia ny hoe fanomezan’ireo ray aman-dreny ny zanany ny olona heveriny fa afaka hamelona ny zanany na dia hatakalo vola 30.000 Ariary monja izay atao ho marika na “symbolique” fotsiny aza. “Vidio ity zanako ity madama fa tsy voafahako intsony!”. Toy izany, hoy ny depioten’Ikongo no santionany amin’ny fehezanteny ampiasain’ireo ray aman-dreny very hevitra tanteraka manoloana ny fahasahiranana iainan’izy ireo. Dia mipetraka ny fanontaniana. Mbola sahy hilaza ve izany izao fitondrana izao fa fahombiazana ny fisiana toe-javatra toy izany? Mbola azo lazaina ho fahaiza-mitantana ve izany? Tsy mipetraka amin’ny fitondrana ihany angamba ilay fanontaniana fa amin’ireo mpiaradia aminy rehetra mihitsy! Heverina ho efa zava-dehibe ny fiaiken’ny filoham-pirenena raha nikabary ny fiafaran’ny taona 2022 teo fa misy zavatra tsy mandeha maro eto saingy miandry ny tena fanavaozana izany aloha dia ho hita eo indray ny tohiny na vao mainka hanimba zavatra na ho any amin’ny mahasoa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT