Anisan’ny maha firenena ny firenena iray ny tantarany. I Madagasikara manokana dia anisan’ireo firenena manan-tantara sy nitrangan-javatra maro.
Tsy handeha lavitra isika amin’ity anio ity fa hihemotra 20 taona, ka hahatsiaro ny 10 aogositra 1991 nitrangan’ny diaben’ny fahafahana. Tahaka ny adinodino io daty io kanefa tena nanana ny lanjany tamin’ny tantaram-pirenena sy ny fanovàna teto. Taorian’io mantsy no tena nampirodana ny fitondran’ny Amiraly Didier Ratsiraka izay nosokajiana ho mpitondra jadona tamin’izany fotoana ary tsy nisalasala mihitsy nanome baiko ny miaramilany hitifitra sy hanipy grenady tamin’ireo vahoaka marobe nandeha am-pilaminana hihazo ny lapam-panjakana Iavoloha. Tsy tantara noforonina izany fa misy porofo amin’ny alalan’ny sary sy feo ary efa maro ny olona nahita azy na teto an-toerana na tany ivelany. Tsaroana eto ilay fehezanteny nanao hoe : «tirez sur la voiture noire…» na «tifiro ilay fiara mainty».
Feo tsy vahiny amin’ny rehetra no re nanome io baiko io ary fantatry ny rehetra tsara ny tian-kambara amin’izany. Ny Herivelona no nitarika io hetsika goavana nahavory olona ana hetsiny maro io. Nisy mihitsy aza no nilaza fa iray tapitrisa ny olona nitanjozotra nandeha teny Iavoloha tamin’io 10 aogositra 1991 io. Anisan’ny mpitari-tolona nalaza tamin’izany fotoana teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey Atoa isany, Zafy Albert, Richard Andriamanjato, izay samy mbola velon’aina amin’izao fotoana. Niova ny tantaran’i Madagasikara nanomboka teo dia nanomboka nalaza ny hoe demokrasia. Niroborobo ny fananganana antoko politika sy haino aman-jery ary gazety miseho isan’andro. Nanomboka nahazo vahana ny antoko mpanohitra, niova nanaraka izany koa ny fomba fisainana ary tsy fahotana mahafaty tahaka ny tamin’ny Repoblika faharoa intsony ny fanehoan-kevitra sy fanoherana ny tsy mety ataon’ny mpitondra.
Fa nanomboka teo ihany koa no voaresaka ny hoe «amnistie» na famotsoran-keloka, fifanarahana politika fomba fanao amin’ny firenena maro, indrindra fa aty afrika mba hifamelana sy hihavanana ary hanorenana fototra vaovao hanarenana ilay firenena trotraky ny ady sy ny krizy. Amin’ny maha fifanarahana politika azy izany dia ny mpanao politika, na ao anatin’ny fitondrana na ny mpomba na ny mpanohitra ny fitondrana no mandrafitra sy mandany ary manasonia azy, izy ireo ihany mantsy no mahalala tsara ny mety sy ny tsy mety nataony, izy ireo no nitarika vahoaka ka raha mahay mifandamina izy ireo dia milamina ho azy ny vahoaka. Dimy taona taorian’ny 1991 dia efa tafaverina teo amin’ny fitondrana ny Amiraly Didier Ratsiraka nolazaina fa mpamono olona sy mpanao didy jadona. Afaka nilatsaka nofidiana tsara izy ary resiny tamin’ny fihodinana faharoa ny profesora Zafy Albert. Asa na mba hanao ahoana no hitranga amin’ity indray mitoraka ity ? Andrasan’ny rehetra ny tena hevitry ny FAT momba an’Atoa Marc Ravalomanana, satria tsy mitovy velively tamin’ny fitondrana tamin’ny Repoblika faharoa ny fitondrana notantanany ary tsy izy no tena devoly be fahotana indrindra tamin’ny mpitondra rehetra nifandimby teto.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.