Ny 40,17 %-n’ny mponina eto amintsika dia ankizy vao teraka ka hatramin’ny 14 taona avokoa, raha araka ny antontan’isa nivoaka tamin’ny taona 2016.
Ny ankizy anefa ho an’ny firenena mikambana dia ireo latsaky ny 18 taona. Mbola betsaka ireo zon’izy ireny tsy voahaja eto amintsika, raha araka ny fanadihadiana natao. Anisan’ireny ny zo hianatra, hisakafo, hitafy, hilalao, hotsaboina raha marary noho ny vesatry ny fahasahiranana sy ny fialokalofan’ny ray aman-dreny ao ambadiky ny fahantrana.
ZARA RAHA MIANATRA NY ANKAMAROANY
Tafakatra 2.000 isa ireo ankizy mpatory an-dalana eto an-drenivohitra ankehitriny. Tsy misy mianatra intsony izy ireny, raha araka ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana miaro ny zon’ny ankizy iray, antony mahatonga ny salanisan’ireo zaza Malagasy ho 45 % sisa no mahavita ny sekoly ambaratonga fototra, 23 % manohy ao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa sy lisea, 2 % no tafakatra eny amin’ny oniveriste. Ny 30 % kosa tsy nianatra mihitsy, izany hoe tena miaina anaty habadoana. Zon’ny ankizy anefa ny hianatra ka farafaharatsiny mahavita sivy taona any an-tsekoly izy ireny vao tokony hijanona.
HIHARAN’NY HERISETRA
Manjaka ho azy vokatr’izany ny herisetra toy ny vono mihatra amin’ireo miasa aman’olona nefa tsy ampy taona akory. Misy ireo voaolana tsy fidiny mihitsy. Raha ny fanadihadiana nampanaovin’ny minisiteran’ny mponina ny UNICEF sy ny INSTAT tamin’ny volana jona taona 2018 dia ankizy 4 amin’ny 10 no voalaza fa efa niditra teo amin’ny sehatry ny asa sahady, mialoha ny faha-18 taonany. Tafiditra ao anatin’izany ireo mipetraka any ambanivohitra. Mahatratra 11% ireo nilaza ho efa tratran’ny herisetra ara-batana miendrika sazy. Anisan’ireo tena misedra herisetra ara-pananahana koa ny ankizy kely miasa, indrindra ireo miasa an-trano. Tanora 9 amin’ny 10 ihany koa no efa niharan’ny herisetra teo anivon’ny fianakaviany raha tanora 1 amin’ny 2 no lasibatra tany amin’ny faritry ny sekoly.
FIJOROANA VAVOLOMBELONA:
Lolona, zazavavy kely 14 taona naolan’ny mpampiasa azy ( tsy nanaiky nalaina sary) : Vao 12 taona aho dia efa niasa taman’olona. Zanak’olona avy any ambanivohitra aho ary nipetraka taman’olona. Tsy tao an-trano anefa ilay Ramatoa mpampiasa ahy ka nohararaotin’ilay Rangahy aho ary noroahin’izy ireo rehefa nilaza ny marina.
Feno, zazalahy kely 14 taona : Nipetraka tamin’ny fianakavianay no nahatongavako teto Antananarivo. Mpanao hôtely izy ireo ary nantsaka rano sy nanasa lovia tsy mitsahatra no asa nataoko tamin’izany. Tsy nisy nomeny anefa ny karamako herintaona sady tsy nomeny sakafo matetika aho fa namaky lovia, hono,.
NY RAY AMAN-DRENY INDRAY NO VELOMINA
Tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanajana ny zon’ny ankizy ny ray aman-dreny vao miampita eny anivon’ny fiaraha-onina izany. Mifanohitra amin’izay tanteraka anefa ny zava-misy eto amintsika. Ny ray aman-dreny indray mantsy amin’izao no maniraka ireo menaky ny ainy hiasa ka izy ireo no lasa velomina. Manomboka eo amin’ny fahatelo taonany dia efa miasa mangataka ny zaza iray eto an-drenivohitra. Tsy maintsy mitondra vola mody 1.000 Ar isan’andro raha kely ny ankizy iray vao mahazo mody raha tsy izany dia tsy misakafo. Tsy misy intsony ny fotoana hilalaovana. Olona mba mihantra no manome ny fitafiana. Tsy eken’ny fikambanana miaro ny zon’ny ankizy anefa ny tranga tahaka ireny. Ny ray aman-dreny mantsy no mpamelona ary tsy tokony hialokaloka ao ambadiky ny fahantrana izy ireny. Anisan’ny miaina izany ireo ankizikely monina etsy La Réunion kely Ampefiloha. Tahaka izao ny resaka nifanaovana tamin’izy ireo.
Temoignage : Telo mianadahy ry Olga sy Sylvia no naterak’ireo ray aman-dreniny. Eny La Réunion kely izy ireo no mipetraka ary mitsindroka eny amin’ny daban-jaoridira no asan’ireo ray aman-dreniny. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’izy mirahavavy kely dia amin’ny hariva izy ireo vao afaka mody any an-tranony satria izay vao misy sakafo. Amin’ny maraina sy atoandro kosa dia izy ireo ihany no mitady ny sakafony ka mangataka no ataony amin’izany. Mahazo 3.000 Ar isan’andro izy mirahavavy kely raha kely.
ANTSO AVO
Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana, araka izany, ireo fikambanana maro samihafa miaro ny zon’ny ankizy eto amintsika, indrindra amin’izao fankalazana ny iray volana ho an’ny ankizy izao. Mihamitombo isa hatrany mantsy ireo ankizy tsy ampy taona miditra eo amin’ny sehatry ny asa, ireo hiharan’ny herisetra, indrindra ireo tsy mianatra, antony nanosika ny CONAMEPT nanao hetsika goavana tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana. Tsiahivina fa nanasonia ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fiarovana ny zon’ny ankizy i Madagasikara, tamin’ny taona 1989. Manana ny lalàna lah 2007-023 ihany koa isika, tamin’ny 20 aogositra 2007, izay manambara, ao amin’ny andininy faha-67 fa ny fehezan-dalàna famaizana no ampiharina amin’ireo rehetra nahavanona herisetra tamin’ny ankizy.Voararan’ny lalàna eto amintsika nanomboka tamin’ny taona 1996 ny fampiharana sazy mihatra amin’ny vatana any an-tsekoly. Hankalazaina mandritra ity volana jona ity ny iray volana ho an’ny ankizy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.