DOSIE

Tarika Tirike, nafana ny faha-35 taona tao Toliara


  • Talata 12 Aogositra 2025

Nizara ireo sedra sy ny tsiambaratelony i Augustin Tirike

Ny 08 aogositra 2025 lasateo, notanterahina tao Toliara, toerananisantaranynyfiakarana an-tsehatravoalohanytamin’nytaona 1990 nyfankalazanany faha-35 taonan’nyTarikaTirike. Fotoan-dehibenampiombonanyvahoakan’i Toliara, arysaikananomevoninahitraan’iTirikeavokoanyankamaroan’ireoolobe ara-panjakanasy ara-piarahamonina tao an-toerana. Tonga hatramin’ny mpankafy sy mpanohana toy ny avy any Toamasina sy Fort-Dauphin. Rakotra olona hatrany ivelany ny trano filanonan’ny Etoile de Mer. Nitotorebika sy nifaly tamin’ireo hira malazan’ny tarika toy ny Ovao Fombanao, Misengesenge, Anao Zay, Vinanto,... ny rehetra. Nosokafana tamin’ny tafa nifanaovan’i Augustin Tirike sy ny mpanao gazety avy amin’ny Tia Tanindrazana sy Top Radio aty ny Kolo TV Toliara, niaraka tamin’ny fanontaniana nanitikitika ny mpanohana sy mpankafy moa ny fotoana, nanehoan’i Augustin Tirike ireo dingana samihafa, ny sedra niainana, ny tsiambaratelon’ny fahombiazany,…

NIANDOHAN’NY TARIKA
Miaramila sy mpanao baolina fahiny i Tirike ! Rehefa nitsahatra dia nahatsapa fa mbola tanora sy tokony hanao zavatra ho an’ny Firenena. Nikasa hanoratra boky momba ny fiainan’ny Faritra Atsimo. « Noho ny tsy fisian’ny fitaovana hanatanterahana izany, nisafidy ny hira ho fitaovana hanehoana ny fiainana any Atsimo izay isan’ny misedra fahoriana maro », hoy izy. Nitsangana ny 01 aogositra 1990 ny tarika. Tao Toliara no nanomboka ny seho voalohany, nizarana tapakila isam-pokontany. Nidina tany Atsimo hitady mpiara-miasa izy, niakatra an’Antananarivo hanao maquette, ary tamin’ny 1992 nivoaka ny album voalohany. Nalaza be tany Atsimo izany, ka ny Zazah Club no nandray ny famokarana voalohany tao Toliara tamin’ny 1993. Tao anatin’ny 35 taona, albums 6 no navoaka ary eo am-pahavitana ny faha-7. Amin’izao, i Augustin Tirike, Noely Armand, ary Profesora Noro Masy no mbola ao, raha efa nisy manana ny tarika manokana ireo mpikambana sasany dia i Manantena, Tence Mena, Lucien. Mametraka ny kolontsain’ny mpandimby, ka tanora maromaro novolavolain’ny tarika no ankamaroan’ny mandrafitra azy amin’izao.

NAHOANA NO TSY LEFY LAZA 35 TAONA ?
Nanomboka nitety an’i Madagasikara ny tarika ny taona 90, nampahafantatra ny bahan-kira « tsapiky » avy Atsimo. Ho an’i Tirike izay voasokajy ho mpanjakan’ny tsapiky, ny faharetan’ny fankafizan’ny olona dia ao amin’ny asa mivoaka avy amin’ny fiainan’ny fiarahamonina, tsy manelingelina ny sofin’ny mpihaino, ary voakajy tsara ny tonony, ny feo, ary ny fandrindrana. Ny « Vinanto » dia ohatra iray be mpanao « cover » indrindra eto Madagasikara.

SEDRA SY FAHATSIAROVANA…
Tamin’ny centenaire an’ny Somacodis tany Antsohihy 1996, maty ny rainy, nefa nanaja ny fifanarahana izy ka vita ny fampisehoana vao nandeha nandevina tany Ampanihy. Tao Sirama Namakia, maty tampoka ny mpikarakara nandritra ny seho ka najanona,... Tsaroany manokana koa ny fahafahany nanao fampisehoana tao amin’ny Genie, Paris. Izy no Malagasy voalohany nanao izany, ka tsy hodino mandra-pahafaty, hoy i Tirike.

ADIDY HO AN’NY TANINDRAZANA
Ankehitriny, mipetraka any Marseille Frantsa i Tirike, indraindray manao “assistance de cours” any Genève. Mitondra anjara biriky ho an’ny tanindrazana, indrindra ho an’ny Faritra Atsimo nahaterahany. Tamin’ny roa taona lasa, nanao “lever de fond” izy hananganana vovo dimy sy hizara “filtre à eau” mba ho anjara biriky ho an’ny mponina tao Ampanihy,... Betsaka, hoy izy, ny nanaratsy azy ho te hilalao izany ara-politika, nefa manamafy I Tirike fa miombona sy eo foana izy raha politika ho an’ny fampandrosoana fa tsy politika politisianina.

FIZARANA MANOKANA,TSIAMBARATELON’NY FAHATANORANA
Terakanytaona 1961 izanyhoe : 64 taonaizyankehitriny, saingymbolaanatin’nyherinytanteraka. « Rahamisyzavatramanimbanyvatantsikaolombelona dia ny « Souci » na ahiahy, fitaintainana,… Miaramilataloha, 16 tao anatin’nytafika Malagasy, andiany faha-42 tao amin’nySekolim-pirenen’ny « Sous-officier », mpanaobaolinaihanykoa, izanyhoe : olon’nyfanatanjahantena. Olonanisedranymafyihanytamin’nyfiainanaihanykoa. « Nifanarakarakaamam-bolananyfahafatesan’nyrenikoniterakaahy, matynyzanakovavymatoa, roavolanataorianamatynyrenin’ilayzanako, 4 volanataorianamatynovonoin’olonanyzandrikolahy », hoyizy. « Miezakaahomisongonaan’ireny, mitsambinkina ! Tsymiondrika, fa manaonyadidy. Miezakamitsambikinaamin’nysakanarehetramahazoamin’nyfiainana. Tsy mora fa tenamafy, maronyolana, kanefarahahiondrikafoanatsy ho tafavoakamihitsyamin’nyfiainana »., hoy hatranyiTirikenizaratamim-pahatsorananyfiainany.

Anatin’ny « Tour de Madagascar ny tarika, ka efa tetsy amin’ny Le Glacier Analakely, Fort dauphin, Ihosy, Toliara, tao Betafo ny alahady teo, hiazo an’Antsohihy, Fandriana. Ny volana septambra no hiverenany any Frantsa, hiazo an’i Montréal, Canada, Washington,…
Toky
Sary : Willy Rabehaja
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

  • Tsianjery an-dalambe hitadiavam-bola
  • Alarobia 05 Martsa 2025

Mahavita 5 Km isan’andro i Nambinina sy Iva

Hijery ny tohiny
FTT