Amin’ izao fotoana izao vanim-potoan’ny fialan-tsasatra izao dia maro ny trano fivarotana manavao ny tolotra omeny ny daholobe.
Isan’ izany ny « zoma center », enyAnalakely ary manakaiky ny « avenue de l' indépendance ». Toerana malalaka sady mihaja, ahitana karazana entana maro. Singanina manokana ny resaka fanaka. « maro be ny fanaka loha laharana amin’ ny kalitao hita ato aminay mety amin’ ny filany sy fahefan’ mividy ny tsirairay. Misy vita amin’ ny hazo, vy na plastika. toy : ny latabatra isan-karazany, canapé d' angle, fanaka ho an’ ny efintranon’ ny ankizy, armoires, seza maro, table TV, canapés lits…. Ankoatr’ izay, ho an’ ireo liana amin’ ny « stand » mbola azo hofaina dia afaka manantona etsy amin’ ny baolai Soarano. Maro tokoa ny safidy hita ao amin’ ny « zoma center », etsy ampitan’ ny epp analakely, na ho an’ ireo izay te hanavao ny fanaka ao an -tokantrano na ho an’ ireo izay te hanome fanomezana .
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.