Dossier

Zaza « autiste » Mitombo isa-taona ny isany


  • Sabotsy 15 Septambra 2018

Miisa 5 ireo zaza òtista (autitste) avy eto Antananarivo no misitraka fitsaboana nify maimaimpoana amin'izao fotoana. Ahitana fahasarotana anefa ny mitaiza azy ireny, indrindra eo amin`ny fitsaboana ny nifiny.

 Tsy manaiky mora foana ilay zaza hozahana sady vitsy ireo dokotera nify manaiky hitsabo. Sarotra ny fandraisana an-tanana izay manomboka amin`ny fitiliana ny zava-misy amin`ny ankizy ahiana ho voany. Toe-tena tsy mbola be mpahalala ny “autisme” nefa manahirana ny fianakaviana manan-janaka tratrany. Tsy misy ny fanafody manokana fa ny fanabeazana ny zaza hahaleotena no tena zava-dehibe. Tsy mitsahatra mitaky ny fandraisana andraikitra avy amin`ny minisiteran`ny fahasalamam-bahoaka izahay na eo aza ny fanaratsiana ataon`ireo dokotera sasany ka mitohy ny tolona, hoy Raveloarimisa Mbolatiana, filoha mpanorina ny fikambanana Autisme Madagascar. Tsy mbola fantatra mazava hatramin'izao ny tena antony mahatonga ny Autisme ary mbola an-dalam-pikarohana ireo mpitsabo Mpikaroka any ivelany. Misy milaza fa mety avy any ambohoka, mety vokatra ara-tsimika, mety vokatry ny tontolo iainana amin’izao mihitsy no mahatonga azy. Momba ny fanafody “depakine” manokana, izay anisan'ny mampifanolana ny fikambanana amin'ireo dokotera sasany, izay manome azy io ho an'ny ankizy tsy mila izany akory, dia nilaza ny tomponandraikitry ny Autisme Madagascar fa efa nisy ny fifampiresahana tamin'ny solontenan'ny laboratoire SANOFI eto Afrika, mpamokatra ny fanafody. Hihaona mivantana amin'ireo ray aman-drenin'ny ankizy ôtista mihitsy ireo tomponandraikitra avy ao amin'ity laboratoire ity, ato ho ato.  Miseho amin’ny alalan’ny olana eo amin'ny fifandraisana, fahasarotana amin’ny lafiny fiaraha-miaina anaty fiarahamonina, fanaovana sy famerenana fihetsika hafahafa tsy mahazatra izy amin’ny ankapobeny. Mitombo isan-taona ny isany. Tsy mbola misy ny antontan’isa eto satria tsy nisy diagnostika tena mamaritra fa autiste ny zaza iray. Marihana fa tsy sekoly ny foibe mandray an-tanana ny fikambanana Autite Madagascar fa sehatra ahitana ny sokajin`olona voakasiky ny toe-tena fotsiny mba hifandray. Hatramin`ny fiandohan`ny taona dia tsy nitsahatra nanohy ireo asa an-tsitrapo entina hiarovana sy hampahafantarana ny zon`ny zaza autiste sy ny ny fianakavian`izy ireo ny fikambanana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT