Orinasa afaka haba miisa 32 no nikatona taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Olona 50 000 no very asa tamin’izany.
Nahatratra 300 000 rehefa tena tsy tao amin’ny vondrona AGOA (African Growth and Opportunity Act) intsony i Madagasikara. Rehefa tafaverina tao amin’io vondrona io indray i Madagasikara tamin’ny 26 jona 2014 dia nanomboka nanondrana lamba indray any amin’ny tsena amerikanina. Taorian’izay aza dia vokatra miisa 7000 no azo aondrana any tahaka ny asa tanana, ny vokatra sakafo, ny lavanila, ny vato sarobidy ankoatra ny lamba. Fantatra fa ny fanitarana ny AGOA hatramin’ny 2025 dia hiteraka firoboroboan’ny sehatra hafa sy ireo mpandraharaha misehatra amin’ny fanondranana ihany koa. Misy akony lehibe tamin’ny toekarena ankapobeny ny fiverenana tamin’ny AGOA satria mahazo tombony ara-barotra amin’izany ny sehatra tsy miankina izay ain’ny toekarena. 2 miliara dolara na 6 629 340 000 000 Ar (1 dolara=33.14.67Ar) ny fitambaran’ny fanondranana lamba fotsiny nataon’i Madagasikara talohan’ny fanonganam-panjakana ary tafiditra faharoa tamin’io sokajy io ny Malagasy tamin’izany. Amin’izao fotoana izao dia mbola hita fa marefo ireo orinasa afaka haba noho ny takaitran’ny krizy ary miezaka manarina tsikelikely. Maro ihany koa moa no tsy tafaverina taorian’ny fikatonana noho ny toe-draharaha tsy mahatsara hatrany ny fandraharahana misy eto Madagasikara.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.