Dossier

Vondron’ny mpandraharaha Mangina manoloana ny antsojay mahazo ny Tiko -AAA


  • Sabotsy 24 Martsa 2018

Tsaroana tsara ilay Kiririokan’ny fahasosorana nataon’ireo mpandraharaha Malagasy, ny fiarahamonim-pirenena, ny fikambanana maro samihafa tamin`ny alakamisy 15 martsa lasa teo.

Nivoaka nitsoka kirioka daholo ireo mpiasa teny anivon’ny orinasa toy ny nitranga teny Ankorondrano raha tsy latsa-danja tamin’izany ireo olon-tsotra mpivarotra sy nandeha teny an-dalambe. Tsy hay adinoina ihany koa ny fanaterana taratasy teo anivon`ny minisiteran'ny Indostria sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina momba ny tsy fandriampahalemana nataon`ireo mpandraharaha ny volana febroary lasa teo. Fa naninona izy ireo no tsy andrenesam-peo mahakasika ny orinasa Malagasy Tiko AAA ? Voatery niditra fiatoana ara-teknika ny orinasa kanefa mpiasa sy mpiara-miasa efa maherin`ny iray alina no nivelona taminy. Msy fiantraikany maro amin’ny lafiny toekarena ny fampiasam-bolan’ireo mpandraharaha Malagasy eto Madagasikara toy ny famoronan’asa ateraky ny fampiasam-bola izay atao.  Eo ihany koa ny fampandrosoana eny ifotony ateraky ny fandraharahana atao. Aiza ho aiza ilay hoe Miray hina, miray vina, fahombiazana ? Rehefa tojo olana mantsy ireo vondron’olona na orinasa ireo dia mahay miray hina avokoa ary milaza fa manana vahaolana mifandraika amin`izany. Mitovy lanja amin`ireo orinasa Malagasy maro eto amintsika ihany ny orinasa Tiko AAA kanefa maninona no mangina izy ireo ? Mahay miray hina ny mpandraharaha eto an-toerana rehefa may ny endim-boanjony satria voatohintohina angamba ny tombotsoa. Mahay mitaky ny fijerena haingana ny olany izy ireo eo anivon`ny minisitera mpiahy kanefa tsikaritra ihany hoe misy endrina fitanilàna ilay izy . Efa halohalika ny ranom-bary ho an`ny Triple AAA ary antenaina fa hisy fehin-kevitra mafonja hivoaka mahakasika azy aorian’ny hetsika “Forum economique de Madagascar” izay hotontosaina etsy amin`ny Hotel Carlton ny alatsinainy ho avy izao.


 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT