Dossier

Vondrona Eoropeanina “Efa maro ireo vola natontona ho an’i Madagasikara”


  • Zoma 06 Desambra 2019

Nisy ny tatitra nataon’ny Vondrona Eoropeanina (UE) tamin’ny mpanao gazety natao tetsy amin’ny foibeny Tour Zital Ankorondano omaly.

 

 

Fahombiazana ny fiaraha-miasa amin’ny ankapobeny tamin’ity taona 2019 ity, hoy izy ireo ary efa misy sahady ny tetikasa sy ny ezaka apetraka amin’ny taona ho avy 2020. Nanamafy izy ireo fa tsy maintsy hamafisina ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanatsarana ny fandaniam-bolam-panjakana ho tombony ho amin’ny vahoaka Malagasy. Manoloana ny valim-pifidianana kaominaly dia mitaky ny fangaraharana ny vondrona eoropeanina ary nilaza mazava fa matoky ireo tompon’andraikitra nanara-maso ary manantena mba ho eken’ny rehetra ny vokatra hivoaka eo tsy hiverimberenan’ny krizy politika intsony. Nampanantena ihany koa izy ireo fa hisy hatrany ny famatsiam-bola ny amin’ny sehatra fahasalamana sy ny fampianarana ary ny  angovo sy ny fanatsarana ny fanamboaran-dalana. Manohana ireo fiaraha-monim-pirenena ny U.E ary mamporisika ireo mihitsy mba ho mpandray anjara fototra amin’ny fampandrosoana ny demokrasia. Porofon’izany ny tetikasa Fanainga izay hanamafisana ny andraikitry ny firaisa-monim-pirenena hiteraka fampandrosoana ara-toekarena. Ankoatr’ireo dia nitanisa ireo vola nomena an’i Madagasikara ny UE ka anisan’izany ny 42 tapitrisa Euro hanatsarana ny fiarovana ny sisin-dranomasina. Eo ihany koa ny tetikasa nanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana izay mitentina 7 tapitrisa Euro sy ny fandaharan’asa PROCOM hampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra  izay mitentina 8 tapitrisa Euro. Mbola maro ireo famatsiam-bola hafa tahaka ny fanaovana fotodrafitrasa mitentina 230 tapitrisa Euro, ny fandaharan’asa FED faha -11 izay hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra sy ny tontolo iainana.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT