Nosoniavina ny 28 mey lasa teo tany Paris ny fifanarahana lasitra momba ny tetikasa famokarana herinaratra amin'ny alalan'ny tohadrano ao Sahofika.
Hamatsy ny tambajotra mampitohy an'Antananarivo, Toamasina, Antsirabe ary Fianarantsoa ny 200 MW hovokarina. Amin'ny volana aogositra ho avy izao no hosoniavina ny fifanekena momba ny fividianana herinaratra. Hametraka tetikasa iray ho famokarana herinaratra hatramin`ny 120 MW any Volobe Toamasina ihany koa ny fifanarahana teo amin`ny CGVH sy ny vondrona Axian. Ny fifanarahana eo amin`ny orinasa CGHV (Compagnie generale d`hydroelectricité de Volobe), sampana orinasa Jovena ao anatin`ny vondrona Axian, an-daniny sy ny Africa 50, vovonana amin`ny fampiasam-bola ho an`ny fotodrafitrasa tohanan`ny banky afrikanina ho an`ny fampandrosoana an-kilany. Tetikasa goavana ity CGHV ity mikasika ny hamokarana “herinaratra maitso” avy amin`ny tohadrano any Volobe Toamasina. Hanana tanjaka 120 MW, ka hanomboka ny taona 2020 ny asa ary ho vita ny taona 2023. Hampihena ny fampiasana gazoala na menaka mavesatra amin`ny famokarana herinaratra ny fisian`io toby any Volobe io, hampihena ny saram-pamokaran`ny Jirama sady hampakatra ny tanjaky ny herinaratra any Toamasina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.