Dossier

Volabe azon'i Madagasikara Misy resaka maro tsy mbola mazava


  • Zoma 17 Aprily 2020

Efa tsara aloha ilay nampahafantatra ny vola fanampiana azo mba hiatrehana ny covid 19.

 

 

 

Ezaka manaraka andrasan'ny olom-pirenena ny hoe:ohatrinona marina ny tetibola hiasan'ny CCO covid 19 Ivato sy ireo any amin’ny faritra? Avy aiza marina ireto fiara 4x4? Inona no endrika fifanarahana natao satria mazava fa tsy nisy antso tolobaro-panjakana na “appel d’offre” mazava? Misy mpandraharaha manana orinasa mivarotra fiara mantsy akaikin'ny filoham-pirenena. Ireny fiara tsy mataho-dàlana ireny ve no maika? Niaraha-naheno, ohatra, ny fitarainan’ny mpiasan’ny fahasalamana izay nisy mihitsy no nifindran’ny coronavirus noho fiarovana tsizarizary. Raha tsy nisy ny OMS sy ny Fondation Jack Ma dia inona no fampitaovana natao teto? Vitan’ny fanjakana ny nanao “réquisition d’office” ny haino aman-jery eto Madagasikara ka nahoana no tsy mba natao izany ihany koa ireo fiaram-panjakana takelaka mena marobe fa tsy voatery hividy na hanofa fiara tsy mataho-dàlana maro be? Azo nampiasaina amina zavatra hafa ny volabe tsy toko tsy forohana natontona amin’izany, saingy ireo izany aloha no hitan’ny fanjakana fa laharam-pahamehana. Mbola ampahany sy bitika ihany ny fangaraharana hita. Noresahina ny resaka loharanom-bola fa nanao ahoana ny fandaniana? Olona firy sy faritra taiza sy taiza avy no nisitraka? Tena araka ny fampanantenana ve? Tany am-piandohana, ohatra, dia noresahina fa homena 100 000 Ar avy ny mpamily taksibe sy fiarakaretsaka izay mety halefa amin’ny alalan’ny mobile money izany, hoy ny Filoha. Tena vola 100 000Ar ve no nomena? Tena miteti-bidy 1hetsy ve ilay fanomezana? Tany am-boalohany mety vary 25kg, menaka 2L, Sardine 5, Tsaramaso 2Kg,… Taty aoriana aza nisy lasa menaka roa, sardine iray,… izany hoe nihena ny zavatra sitrahana. Raha kajiana amin’ny isan’ny Malagasy 25 tapitrisa izany 444 tapitrisa dolara izany manome 62160Ar isan’olona raha 3500Ar ny iray dolara. Tsy hoe hozaraina amin’ny tsirairay akory io, fa maro ny ampiasana azy. Faritra 3 ihany koa no tena hisian’ny fihibohana, izany hoe tsy tokony hisy olana ny fanampiana amin’ireo raha ny tokony ho izy, saingy tsy izay no zava-misy. Be loatra ny kimaizimaizina!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT