Rariny raha mbola matroka hatrany ny tarehimarika ara-toekaren’ireo firenena mahantra sy an-dalam-pandrosoana tahaka an’i Madagasikara.
Araka ny tatitry ny fanadihadiana nataon’ny Banky Iraisam-pirenena tamina firenena 22 dia ny 5%-n’ny fanampiana ara-bola atao dia hialofana ara-ketra avokoa (paradis fiscaux). Vola be anefa izany ary ireo firenena tena miankina betsaka amin’ny fanampian’ny Banky Maneran-tany no tena ahitana ny tranga. Raha ny fanampiana ara-bola izay manome 1% amin’ny Harinkarena Faobe (PIB) dia mahatratra hatrany amin’ny 3,4% ny tahan’ny petrabola mifanaraka amin’io fialofana ara-ketra io. Araka ny fanadihadiana natao dia ny firenena afrikanina hatrany no lohalaharana ny amin’izany satria 19 tamin’ireo firenena 22 nohadihadiana aza dia aty Afrika avokoa. Anisan’izany i Madagasikara izay mahatratra hatrany amin’ny 193 tapitrisa dolara ny petra-bola atao isan-taona. Maro ihany koa ny firenena afrikanina ahitana tranga toy izany toa an-dry Tanzania, Borondy... Olana ihany koa ny tahan’ny fisitrahana banky izay ambany be. Ny ankamaroan’ny olona aza moa dia tsy manana kaonty amin’ny banky akory amin’ireo firenena mahantra. Izany anefa dia tsy ahafahana manara-maso ny famindrafindrana ny vola (transfert d’argent) mankany amin’io fialofana ara-ketra io. Izany no mbola mampanjaka ny kolikoly ary mbola maha maizina ny tarehimarika ara-toekarena tahaka ny eto Madagasikara. Izany rehetra izany no ilàna ny ezaka avy amin’ny fitondram-panjakana araka ny ambetintenin’ireny solontenan’ny Banky Iraisam-pirenena ireny rehefa manolotra ny fanampiana ara-bola mba hampihena ny tahan’ny fahantrana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.