Dossier

Vola fanampiana azo etsy sy eroa Olana hatrany ny tsy fahaiza-mitantana


  • Sabotsy 30 Jona 2018

Iaraha-mahalala ny fiankinan-dohan’i Madagasikara amin’ny famatsiam-bola any ivelany. Raha tsy hilaza fotsiny ny momba ny fanampiana hikarakarana ny fifidianana izay mitontaly 12 tapitrisa dolara na 40 miliara ariary eo ho eo ao anatin’ilay tetikasa “basket fund”.

Ankoatr’izay anefa dia manenja-tady amin’ny fanerena ny olona handoa hetra hatrany ny fanjakana ary milaza mandrakariva ny tsy fahampiana ao amin’ny tahirim-bola. Marobe ireo karazan-ketra ireo ary na ny fanondranana ny vokatra tahaka ny lavanila aza dia efa tokony hananana volabe. Hita taratra fa ao amin’ny fifehezana ny fandaniam-bola ao mihitsy no lesoka fa ny vola misy. Tia sehoseho ary mpiliba ny ankamaroan’ny tompon’andraikitra hany ka manadanindany vola amin-tsy ahoana. Maika ery amin’ny fanokanana sy ny fivoriana ary ny atrikasa etsy sy eroa kanefa milaza ho tsy manam-bola hatrany. Manaitra sahady ny mijery ny lalana miepakepaka sy simba izay natao sy nandaniam-bola be tamin’ireny fivorian’ny firenena miteny frantsay ireny. Na ny trano be natomboka etsy Andohatapenaka aza moa mihitsoka tanteraka fa tsy misy tohiny intsony. Izany rehetra izany taratry ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fisehosehoana ivelany fotsiny. Mila miova mihitsy ny toe-tsaina sy ny olona fa ho gisitra eto foana ny Malagasy raha izao fomba fitantanana tsy mahomby izao no mbola hitohy eto. 

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT