Dossier

Voka-pikarohan’ny mpianatra Ahafahana manangana orinasa


  • Alarobia 03 Jolay 2019

Efa fanaon’ny mpianatra eny amin’ny sekoly ambony Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar (ISPM) Antsobolo ny maneho ny voka-pikarohana nataony mandritra ny taona.

 

 

  Manodidina ny 320 isa izany ary nanomboka omaly no nampirantian’ireo mpianatra teny amin’ny foibeny Antsobolo ka hitohy hatramin’ny alahady 7 Jolay. Mampiseho ny tetikasany ireo mpianatra rehetra taona voalohany hatramin’ny taona fahadimy ary ho fampiharana ny rafitra LMD no antony raha araka ny fanazavan-dRazafindrahety Aimée, mpiandraikitra ny lafiny ara-bola eo anivon’ity sekoly ambony iray ity. Tanjona ihany koa ny hampisehoana maneran-tany mihitsy ny fahaiza-manao sy ny kalitaon’ny fikarohan’ny mpianatra, hoy hatrany izy. Eo ihany koa ny fanatsarana ny vokatra satria hisedra ny asa ny mpianatra. Amin’izao hetsika izao dia ampirisihina mihitsy hanangana orinasa ny mpianatra satria fantatra fa miakatra amin’izao fotoana ny tahan’ny fanokafana orinasa misehatra amin’ny teknolojia vaovao (TIC). Anisan’ny niavaka tanatin’ny fampirantiana ny fisian’ny moterana fiara sady afaka mandeha amin’ny lasantsy no gazoala (hybride). Ankoatra ny sehatra teknolojia dia hita ao avokoa ny fanamboarana fanafody, ny fikarohana ara-barotra, ny sehatra fambolena sy fiompiana, ny fanodinana akora atao sakafo. Marihina fa misy hatrany ny fandraisan’ireo  orinasa maro isan-tsokajiny ny antontan-taratasin’ireo tanora mpianatra izay efa mitady asa mandritra izao fampirantiana atao izao.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT