Dossier

Voka-dratsin’ny Coronavirus amin’ny toekarena malagasy Azo sorohana, hoy ny mpahay toekarena


  • Alatsinainy 17 Febroary 2020

Ny fifamezivezen’ny olona sy ny entana maneran-tany mihitsy dia voafetra satria samy mametraka ny paikady anatiny sy ivelany ny firenen-drehetra mba hahafahana mampihena sy manafoana ny valan’aretina Coronavirus,

 

 

 hoy ny mpahay toekarena, Rado Ratobisaona, nanazava ny fahitany ny mety ho fiantraikan’ny fipariahan’ity valan’aretina ity amin’ny toekarena malagasy. Mety ho voka-dratsy ho an’ny firenena tsy mamokatra toa an’i Madagasikara anefa io tsy fahafahana mifamezivezy io, hoy izy, satria isika manafatra mihoatra ny 80%-n’ny entana ilaintsika amin’ny fiainana andavanandro. Mety hiteraka krizy anatiny sy tsy fisiana entana na “penurie” io toe-javatra io, hoy izy. Mety ho vokatra tsara koa anefa satria hanery antsika hamokatra bebe kokoa hahazoantsika manokatra ny tsena anatiny mihoatra amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ny famadihana ny hoe isika indray no mamokatra ny filantsika hatramin’izay io anefa, hoy hatrany ny tenany, dia ilana tetikady, renivola, fahaiza-manao, ilana masinina izay hanentanana ny sehatra tsy miankina sy ny fitondram-panjakana mba hisian’ny atao hoe “dinamysme economique” mba hahafahana misoroka ilay voka-dratsy voalaza teo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT