Dossier

Voka-bary Tsy mbola mahenika ny Malagasy


  • Alatsinainy 17 Septambra 2018

Nihatsara ny voka-barin’i Madagasikara tamin’ity taona 2018 ity raha oharina ny taona 2017. Nahitana fitomboana 30% satria nahatratra 4 030 000 taonina ny akotry raha 3 100 000 taonina tamin’ny taon-dasa. Nanambara ny minisitry ny fambolena sy fiompiana,

 

 

Harison Edmond Randriarimanana fa nanatsara ny vokatra ny toetr’andro sy ny rotsak’orana. Ankoatra izay dia nampiakatra ny vokatra ihany koa ny fampiharana ireo ezaka sy ireo teknika maro isan-karazany. Na izany aza, tsy mbola mahenika ny Malagasy ny vokatra noho ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa tahaka ny toha-drano sy ny lakandrano. Ilaina ihany koa ny famatsiana ireo karazan-jezika sy masomboly maro samihafa. Amin’izao fotoana dia efa an-dalam-pamaranana ny orinasa mpamokatra zezika izay tokony hanatsara sy hampitombo hatrany ny vokatra. Iaraha-mahita fa mbola mila ezaka be i Madagasikara amin’ny ady amin’ny fanafoanana ny hanoanana sy ny fiantohana ny filaminana ara-tsakafo izay voafaritra ao amin’ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy (ODD 2). Anisan’ny vahaolana  ny fampiroboroboana sy ny fampifandraisina ny fambolena tantanim-pianakaviana sy ny fihariana ara-pamokarana tantanin’ireo mpandraharaha (agri-business) ary ny fanodinam-bokatra ho sakafo (agro-alimentaire). Mila miomana tsara ihany koa ny mpisehatra amin’ny fambolena manoloana ny mety ho fiovaovan’ny toetr’andro.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT