Dossier

Vohilava- Mananjary Alain’ny Sinoa andro alina ny volamena


  • Alakamisy 06 Septambra 2018

Tantara mitohy ny fitrandrahana volamena ataon’ny orinasa sinoa Mac Lai Sime Gianna (M.L.S.G.) ao Vohilava, Distrikan’i Mananjary.

 

Nanohitra azy io ny fokonolona ary mafy mihitsy ny hetsi-panoherana. Nakaton’ny “Police des Mines » ilay toeram-pitrandrahana tamin’ny 30 desambra 2017. Misosoka mangina tao indray anefa ilay fitrandrahana nanomboka tamin’ny 3 aogositra 2018, ary taratasy famitana iraka hitsirika fandikan-dalàna sy hanala ireo fitaovana nitrandrahana no nohararaotina ho fanomezan-dalana hanohy. Tezitra ny fokonolona ary nisy hetsi-panoherana goavana indray niseho tamin’ny 25  aogositra 2018 tsy mankasitraka ny fitrandrahana volamena amin’ny reniranon’Isaka, kaominina Vohilava. Manao latsak’alina maka volamena ilay orinasa nanomboka tamin’ny 6 aogositra 2018, izay nisy fiatoana vonjimaika tamin’ny 23 aogositra. Miantso ny handraisan’ny fanjakana fepetra amin’io orinasa io ny mponina any an-toerana.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT