Samy manovokovoka amin`izay ireo kandidà ho filoham-pirenena amin`ny fifidianana manaraka. Hisokatra amin`izany ny fotoana hanaovana kabary feno fampanantena satria ho henjana ny fifaninanana.
Ho tototry ny fehezanteny mandresy lahatra misesisesy amin`ny fampahafantarana ny programan’asany ireo kandidà handray anjara amin`ny fifidianana ny vahoaka. Fa moa ve ny Malagasy dia vonona handray sy handinika an`io vinam-piarahamonina io tokoa ? Matetika mantsy ny kandidà dia manao kabary ambony vavahady mandritra ny fampielezan-kevitra. Tsara hifantoka ao an-tsain’ny tsirairay kosa anefa ireo olana sedrain`ny firenena fa tsy hoe variana manonofy fotsiny. Ohatra, manjaka sy mirongatra isan’andro ny tsy fandriampahalemana sy ny kolikoly eto amin’ny firenena, izay sakana roa goavana mambotry ny Malagasy sy tsy hisian’ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny. Mila programan`asa manamora ny ady amin`ny kolikoly sy ny tsy fandriampahalemana miampy foto-kevitra lehibe izany ny firenena raha ireo no hiaingana. Vinam-piarahamonina hanjakan’ny tena fandriampahalemana ho amin’ny maha olona miaraka amin’ny fampandrosoana no tokony himasoana. Mila jerena ihany koa ny tetibola ho an`ny fampandehanan-draharaha, tetibola ho an`ny fandraharahana ary ireo famatsiam-bola mba hahafahana manatanteraka izay ho programan`asa. Miankina amin`ireo no hahafahana mamaritra hoe mety ho an’ny firenena ve sa tsia ny programan`asa atolotry ny kandida izatsy na izaroa. Ny zava-nisy hatramin`izay anefa dia ny kandidà mihitsy no tsy mitondra “vina” fa matetika mitondra fitaovana, artista ary mampifalifaly vahoaka fotsiny... Efa maro ireo mpitondra nifanesy teto amintsika no nampanantena zavatra ho an`ny vahoaka saingy ny fanatanterahana an`ireo vinam-piarahamonina no tena olana. Noho izany, mila mandinika tsara ny olom-pirenena fa tsy variana amin`ny seho ivelany fotsiny. Mila mijery ny fanahy amin`ny maha olona mihitsy ary tokony havahana tsara ny hatsaran-tarehy arahana fahaizana miserasera sy ny hakingan-tsaina hiasa sy hampandroso tokoa ny firenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.