Dossier

Vidin-tsolika Afaka mihena hatrany amin’ny 198 Ar


  • Zoma 21 Jona 2019

Mbola hilatsaka hatrany io vidin-tsolika io raha ny tokony ho izy, hoy ny mpahay toekarena Rado Ratobisaona nandritra ny tatitra fahatelo mahakasika ny maridrefin’ny Indostria nataon’ny

 

 

 

“ Alliance pour l’industrialisation” tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina omaly. Afaka midina hatramin’ny 198 Ar io araka ny fanadihadiana natao saingy ilaina hatrany ny fangaraharan’ny fanjakana sy ireo mpaninjara ara-tsolika. Tsy tokony hatao ambanin-javatra ihany koa ny fanamboarana ny fotodrafitrasa izay efa tena ratsy eto Madagasikara. Hatao izany rehetra izany mba hipaka amin’ny fahefa-mividin’ny Malagasy, hoy izy. Tetsy an-daniny, nanambara ireo tompon’andraikitra tao amin’ny “Alliance pour l’industrialisation” fa tena mbola marefo ny Indostria eto Madagasikara ary anisan’ny olana lehibe ny angovo. Na misy aza ireo akora fototra, hoy izy ireo dia tsy ampy ny ezaka amin’ny fanodinana. Nangataka tamin’ny fanjakana moa izy ireo ny hanajanonana ny fanondranana ny akora fototra tena ilaina sy ny mbola fanafarana atao amin’ireo izay zavatra efa misy eto hanatsarana ny tontolon’ny Indostria.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT