Tsy afa-misaraka intsony ny vehivavy sy ny fandraharahana, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fanatontoloana izao.
Mora kokoa amin’ny vehivavy mihitsy aza ankehitriny ny misehatra amin’ny fandraharahana na dia ilàna fiomanana fotoana maro aza izany. Mila manana tanjona mazava tsara fotsiny satria maro ny sakana raha tsy hiteny fotsiny amin’ny resaka fahasarotana amin’ny ho mety fahazoana famatsiam-bola azon’ny vehivavy mihoatra noho ny lehilahy. Izany no tokony hanampiana ny vehivavy amin’izao, hoy ny mpandraharaha sady filohan’ny fikambanana mpanao asa soa FFAM (Force Féminine d’Aide Mutuelle), Ramatoa Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle na i MISHAH. Miisa 400 amin’izao ireo vehivavy mpikambana ao ary saika ireo vehivavy sahirana ara-pivelomana sy hiharan’ny herisetra ao an-tokantrano no omena torohevitra sy fanampiana amin’ny lafiny maro. Rehefa izay dia afaka manao zavatra miainga tsikelikely izy ireo ary misy aza efa lasa mpandraharaha mihitsy. Nanambara ihany koa i Mishah fa ankoatra ny fandraharahana ataon’ny vehivavy dia tokony homen-danja bebe kokoa ny tanora Malagasy mba hiteraka vokatra mivaigana ara-toekarena. Sehatra maro no azo hanampiana azy ireo saingy raha ny FFAM manokana dia manampy amin’ny sehatra ara-panatanjahantena. Tsy tokony hiahotra ny vehivavy sy ny tanora hanao fandraharahana satria ireo no hoavin’ny firenena, hoy hatrany i Mishah.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.