Nisy ny atrikasa notanterahin’ny solontenan’ny firenena mikambana niaraka tamin’ny solontenan’ny mpitandro ny filaminana tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly alakamisy 29 novambra.
Tanjona ny hanampian’ny firenena mikambana an’i Madagasikara ny amin’ny fametrahana sy ny fanomezana toerana ny vehivavy eo anivon’ny mpitandro ny filaminana. Maro ireo vehivavy efa mandranto fianarana amin’ny akademia miaramila ankehitriny eny amin’ny sekolin’ny polisy sy zandarimaria. Tsy ampy ary olana ny fanomezan-danja ireo vehivavy ireo amin’ny lafiny fidirana amin’ny fitandroana ny filaminana eny anivon’ny fiarahamonina. Izany no anton’ny hanomezan’ny tetikasan’ny firenena mikambana ho amin’ny fampandrosoana (PNUD) tohana ny firenena Malagasy amin’ny fanitsiana ny rafitry ny filaminana izay izy ireo mihitsy no tompon’andraikitra voalohany.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.