Nisy ny fiofanan’ny fikambanan’ny vondrom-behivavy mpandraharaha eto amin’ny Oseana Indiana EFOI izay notanterahina tetsy amin’ny Hotely Le Pavé Antaninarenina nandritra ny telo andro lasa izay.
Nanambara ny solontenan’izy ireo fa tena mbola olana ho an’ny vehivavy mpandraharaha ny fahitana famatsiam-bola eto Madagasikara ka tsy ahafahan’izy ireo mampiroborobo ny fandraharahana ataony. Ankoatr’izay dia lesoka ihany koa ny tsy fahampian’ny traikefa sy ny fiofanana ka antony nanatanterahina izao fifampizarana fahaiza-manao izay nifarana omaly izao. Aorian’izao fiofanana izao dia hiezaka mafy izy ireo mba hampandroso ny fandraharahana any amin’ny faritra misy azy tsirairay avy any satria misandrahaka manerana an’i Madagasikara ny fikambanana. Tombony hatrany ny fihaonana hoy ireo avy any amin’ny faritany satria nandray lesona vaovao manodidina ny fandraharahana izahay. Isan’ny namafisina tao ohatra ny momba ny sehatra fanondranana, ny fahaiza-mitantana ny orinasa eny hatramin’ny fahaiza-miaraha-monina sy ny fomba fandraisana andraikitra anatin’ny fikambanana sy ny orinasa tantanana. Nanambara ihany koa izy ireo fa tombony hatrany ny maha-mpikambana azy ireo ao amin’ny EFOI satria mahafantatra ny vaovao rehetra momba ny tsena sy ny foara misy izy ireo ka afaka mivarotra malalaka ireo vokatra avy any amin’ny faritra rehetra misy azy.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.