Omaly alakamisy 09 aogositra no natao tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny atrikasa fampiofanana voalohany ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM) eo amin’ny sehatry ny angovo.
Mandritra ny 2 andro ny faharetany ary faritra folo eto Madagasikara no voasolon-tenan’ireo vehivavy miisa 50 mahery manatrika ny fiofanana. Azo lazaina ho vaovao ho an’ny vehivavy ny sehatra angovo ary izao no fotoana fanararaotana ahafantarana ny manodidina izay araka ny nambaran’ny filohan’ny GFEM, Fanja Razakaboana. Rehefa vita ity atrikasa iarahana amin’ny fikambanana Alemana GIZ ity dia tokony ho afaka handanjalanja tsara ny fandaniana sy ny fampiasana ny angovo eny amin’ny orinasany avy ireto vehivavy ireto. Ankoatra izay, afaka manao fandraharahana amin’ny angovo ihany koa izy ireo mba hisian’ny tombontsoa sy tombom-barotra. Nandray anjara tao nitondra ny tokony ho fantatr’ireto vehivavy mpandraharaha ireo ny mpisehatra sy ny mpifehy ny sehatry ny angovo tahaka ny JIRAMA sy ireo izay efa manao ny angovo azo havaozina. Ny tanjona ihany koa dia ny hampitombo ny vehivahy tafiditra amin’ny sehatry ny angovo izay tena mbola malalaka tanteraka ary azo anaovana fandraharahana tsara eto Madagasikara. Hisy hatrany ny tombony ara-toekarena satria hiteraka famoronana asa indray ny fidiran’ny vehivavy mpandraharaha hisehatra amin’ity resaka angovo izay mbola mangingina eto Madagasikara ity. Saika variana amin’ny sehatra hafa tahaka ny lamba, fizahantany, lamaody mantsy ny vehivavy mpandraharaha ka tsy miraika firy amin’ny angovo.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.