Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Le Louvre Antaninarenina indray ny tohin’ny fampiofanana ireo vehivavy te ho matihanina amin’ny fandraharahana atolotry ny EFOI
na ny sampandraharaha manome izay tan-tsoroka izay aty amin’ny ranomasimbe indianina. PMAPG/COI moa no anaran’ny Tetikasa hanohanana ny fampiofanana ary mahasahana ny sehatra rehetra, hoy ny fanazavana. Ny ampiroboroboana ny vehivavy amin’ny lafiny arak’asa no antom-pisiany. Ny banky afrikanina misahana ny fampandrosoana kosa no mamatsy ny tetikasa izay maharitra 2 volana. Hisy ny fifantenana vehivavy miisa 50 isam-paritra dia Atsimo andrefana, Ihorombe ary Matsiatra ambony. Hisy ivo manokana na “antenne” hatsangana amin’ireo faritra 3 ary miisa 30 ireo vehivavy hahazo ny fampiofanana ho vehivavy mpandraharaha tena matihanina sy hiara-kiasa amin’ny EFOI Madagascar. Rehefa tonga ny andro fahatelo dia hisy olona 10 hofantenana hahazo fiofanana. Ireo no ho vokatra lehibe ho vehivavy mpandraharaha matihanina, hoy ny filoha nasionalin’ny EFOI, Emilie Rakotondrainivonona. Ny 7, 8, 9 novambra izao moa no hiofana ny ao Toliara. 11, 12, 13 ny ao Ihosy ary 15, 16, 18 novambra ny ao Fianarantsoa. Tanjona ny hananana vehivavy mpandraharaha matanjaka sy mendrika ho an’ny fampandrosoana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.