Manana tombony i Madagasikara satria mpikambana ao amin’ny Fikambanana Maneran-tany momba ny Varotra (OMC).
Nisy ny atrikasa nasionaly notanterahina tamin’ny faran’ny herinandro tetsy amin’ny Tranoben’ny Varotra sy Indostria tetsy Antaninarenina. Manampahaizana manokana avy amin’ny OMC no nanofana sy nampahalala bebe kokoa momba ny varotra elektronika (e-commerce) tamin’ireo mpisehatra sy mpandraharaha eto Madagasikara. Nojerena sy nodinihina ny zava-misy marina eto amin’ny firenena ary nanaovana fampitahana ny amin’ny any ivelany. Efa nanao fanadihadiana ihany koa moa ny fikambanana maneran-tany momba ny varotra sy ny fambandrosoana (CNUCED) izay nijery antsipiriany teboka 7 nitarafana hoe aiza ho aiza ny firenena Malagasy amin’io sehatra io mihoatra ny firenena hafa. Tamin’izany no nanazavana ny drafitrasan’ny OMC izay hiezaka hampandroso haingana an’i Madagasikara amin’io sehatra io. Betsaka ny ezaka tsy maintsy atao hampakatra ny vaovao rehetra tsara ho fantatra hahatsara an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana ara-barotra. Anisan’ny nodinihina tao ihany koa ny tokony hisian’ny rafitra sy rantsa-mangaika hiaro ny mpanjifa ny amin’ny famelana ny famerenam-bola atao raha misy tsy afa-po amin’ny tolotra ataon’i Madagasikara amin’io varotra elektronika io. Tsy tara i Madagasikara na dia mbola mila ezaka be ary satria efa maro be, hoy ireo tompon’andraikitra ny mpanjifa efa mividy zavatra amin’ny tambajotran-tserasera facebook. Tokony hisy ohatra ny paikady sy ny stratejia mazava ny amin’ny lalan-kaleha iraisan’ny olona rehetra amin’io varotra elektronika io mba ho tombontsoan’ny maro. Tsy mazava ihany koa, hoy izy ireo ny fandrindrana ankapoben’ny lafiny fanamorana ny fandraisam-bola. Ny any ivelany izao dia atao amin’ny alalan’ny carte de crédit fotsiny dia tafiditra amin’ny kaontin’ny mpivarotra ny vola. Izany rehetra izany no ilana ezaka ary tompon’andraikitra voalohany ny fanjakana satria sehatra haingana ahafahan’ny tanora manangana ny orinasa ho an’ny tenany io ary hiteraka asa ho tombony be ara-toekarena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.