Tamin’ny taona 1947 no niforonan’ny vaomieran’ny statistikan’ny Firenena Mikambana ary ao avokoa ireo manampahaizana momba ny Statistika avy amin’ny firenena maneran-tany.
Sambany tamin’ny tantaran’i Madagasikara no tafiditra ao amin’io kaomisionina izay ananana tombony ara-toekarena io. Anisany ny fahafantarana antsika eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny ara-barotra sy toekarena, indrindra ny statistika. Taorian’ny fanapahan-kevitra nandritra ny filankevitry ny firenena mikambana tany New York ny 7 mey lasa teo dia nomena an’i Madagasikara ny fahafahana miditra ao amin’io vaomieran’ny statistika izay sahanin’ny INSTAT io. Hanomboka ny 1 janoary 2020 ny fitantanana azy ary haharitra 4 taona. Hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny amin’ny fikirakirana antontan’isa isika ary ho mora kokoa aminy ny hampiakatra ny dosieny eny amin’ny firenena mikambana amin’ny lafiny famatsiam-bola sy ny sehatra fampandrosoana ara-toekarena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.