Efa 811 no matin’ny Coronavirus any Chine, araka ny tarehimarika nivoaka omaly alahady raha toa ka 37 198 kosa ireo marary.
Manery ny fitondrana sinoa hanakatona ny fireneny mihitsy ny fiparitahan'ilay valan'arentina coronavirus. Tena misy fiantraikany goavana eo amin'ny toekaren'i Sina ity aretina ity ary efa hita ho mitotongana hatrany hatrany ireo tarehimarika mampalaza ny sinoa eo amin’ny lafiny fandrosoana. Tahaka ny mahazatra dia ny fankalazana ny taom-baovao sinoa no anisan'ny hampiakatra ny tahan’ny fitomboana ara-toekarena (croissance économique) ho 6% amin'ity taona ity raha ny vinavinan’ireo mpahay toekarena. Tsiahivina fa nandritra ny 5 taona dia lasa mpandray anjara voalohany ara-toekarena ary mifehy izany mihitsy i Sina ary nananany tombony be ny teo amin’ny lafiny famatsiana vokatra izay vokariny any an-toerana kanefa haondrany. Noho ny fikatonan'ireo tranombarotra sy orinasa maro ireo izay ahiana hatrany ny fitohizan'izany mandritra ny fotoana tsy voafetra dia hamotika ny tontolon’ny fandraharahana izany. Araka ny fanadihadiana natao tany Sina tamin'ireo orinasa madinika dia fantatra fa 68% no voatery tsy maintsy hikatona raha mbola mitohy ny tsy fahitana vahaolana amin’ny aretina Coronavirus. Araka izany dia maro be ny sehatra voakasika sy potika amin’ity resaka aretina any Sina ity raha tsy hilaza fotsiny ny Indostria sy ny famokarana. Na teo aza ny famatsiam-bola nataon'ny banky foibe sinoa dia tsy nahitam-bokany izany hatreto satria dia nidina hatrany ny tsenam-bola, ny famokarana, ny fandraharahana izay singa manainga sy mamelona ny toekarena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.