Dossier

Vahaolana maimaika Hividy solika mivantana ny Jirama


  • Alakamisy 14 Novambra 2019

Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra notanterahana teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra omaly fa omena alalana vonjy maika mandritra ny 3 volana ny fividianana solika anivon’ny Jirama handefa ho an’ireo toeram-pamokarana Jiro.

 

 

 

 

 

Araky ny fangatahan’ny ministeran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo izy io izay midika fa omena alalana manokana ny Jirama ho afaka mividy solika tsy mandalo ny tsenam-barotra mandritra ny 3 volana , izany hoe hatramin’ny faran’ny volana Janoary 2020, mandra-pitsangan’ilay orinasa State Procurement of Madagascar, S.A hanafatra solika mivantana. Ireo solika ireo dia tsy tokony hihoatra ny 63.603m3 ho an’ny Fuel ary 21.487 m3 ho an’ny gazoala mandritra ireo fe-potoana voalaza ireo. Ankoatr’izay dia voaresaka manokana nandritra ny filan-kevitry ny minisitra ny mikasika ny Jirama sy ny vahaolana hoentin’ny fitondram-panjakana hitsinjovana ny mpanjifa .Noho ny fivoaran’ny toetrandro mantsy dia manjifa mihoatra noho ny tanjaky ny herinaratra zakan’ny fitaovana misy izay efa tena antitra tokoa ankehitriny ny mpanjifa. Hisy ny laharana maintso hahafahana mamonjy ny mpanjifa sy mifampizara vaovao raha toa ka misy ny fahatapahan-jiro amin’ny faritra iray hahafahana mijery sy manamboatra ireo toerana misy fahatapahana. Hojerena manokana ny mikasika ny rano izay tsy ampy intsony noho ny fahamaroan’ny fitombon’ny mponina ka hisy ny fanapahan-kevitra entitra sy mahavonjy ny rehetra.Vahaolana maimaika, amina fotoana voafetra ihany izao natao izao, ary azo itarafana ny tsy fahamatorana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana eto Madagasikara.Matetika no nanambara ny filoha Rajoelina fa sahy , mijoro sy hiaro ny Malagasy.Vahaolana tetezamita anefa no noraisina, tahaka ilay fampidinana ny vidin-tsolika 100 ariary kanefa nitarika fisondrotry ny vidim-piainana.Andrasana ny fanazavana fanampiny ny amin’ny hoe vola avy aiza marina moa izany avoakan’ny Jirama hividianana solika any ivelany, kanefa hoe sahirana ara-bola ny jirama ? Tena volan’ny Jirama madiodio tokoa ve io sa misy fiaraha-miasa any ho any ? Ary azo antoka ary ve fa hampitsahatra ny delestazy izao fepetra vonjimaika noraisina izao.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT