Dossier

UNICEF Madagascar Michel Saint-Lot indray no hitarika azy


  • Alakamisy 23 Aogositra 2018

Taorian’ny tahirimbola iraisam-pirenena dia tonga nampahafantatra ny taratasy fanirahana (lettre de créance) azy ihany koa ny solontena vaovaon’ny famatsiam-bolan’ny

 firenena mikambana ho an’ny ankizy (UNICEF). Omaly alarobia 22 aogositra no tonga tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Andriamatoa Michel Saint-Lot ary nilaza fa handray ny andraikiny avy hatrany. Manampahaizana manokana momba ny maritrano sy ny génie civil  ary nivoaka tany amin’ny oniversite Haiti izy. Ankoatr’izay dia efa nitazona andraikitra ambony tamin’ny asam-panjakana sy tsy miankina tany Haiti ary indrindra tao amin’ny UNICEF nandritra ny 20 taona talohan’izao nahavoatendry azy hiasa eto Madagasikara izao. Tsiahivina fa nandritra ny dimy taona farany dia nanampy ireo ankizy manerana ny firenena ny UNICEF. Eo ihany koa ny fiahiana ireo ankizy voailikilika, ​​indrindra ny tany amin’ny faritra Atsimo. Nanome fanampiana  hatrany ihany koa ny UNICEF nandritra ireny rivodoza sy ny valanaretina nandalo teto amin’ny firenena ireny.
 
Tsirinasolo
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT