Dossier

Tsy fananan’asa eto Madagasikara Mitombo hatrany isan-taona


  • Talata 02 Oktobra 2018

400 000-500 000 eo ny tanora mivoaka amin’ny fampianarana isan-taona saingy tsy maharaka ny tsenan’ny asa ka mahatonga ireo tsy an’asa marobe.

 

 

 

 Mifanohitra tanteraka any amin’ny firenena eoropeanina ny zava-misy satria mihena hatrany ny tahan’ny tsy fananana asa any an-toerana. I Italia dia nahavita nampidina ny taha ho 10,2 % tamin’ny jolay ary  9,7 % tamin’ny aogositra farany teo. Nisy fiantraikany tamin’ny zone Euro ankapobeny mihitsy satria lasa 8,1% ny salanisan’ny tahan’ny tsy fananana asa ao amin’ireo firenena mikambana ao ireo araka ny tatitry  ny Ofisy eoropeanin’ny Statistika (Euro stat) omaly alatsinainy 1 oktobra. Nanambara mihitsy izy ireo fa tsy nisy ohatr’io nandritra ny 10 taona farany satria nihena isan-taona ny mpitady asa tany nandritra izay fe-potoana izay. Eto Madagasikara anefa, 15% be izao ny tahan’ny tsy fananan’asa (taux de chômage) eto Madagasikara ary ireo tanora no maro an’isa, 3,5% ho an’ireo latsaky 25 taona  araka ny tatitry ny birao maneran-tany ho an’ny asa (B.I.T). Tsy misy anefa ny politika mazava ataon’ny fanjakana ananan’ny tanora asa. Maro be ireo tanora manampahaizana manao ny asa tsy mifanaraka amin’ny mari-pahaizany akory. Ankoatr’izay, mbola tena olana ny havitsian’ny orinasa ka tsy mahasehaka mihitsy ireo tsy an’asa maro be eto amin’ny firenena.

 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT