Dossier

Tsy fahamarinan-toeran’ny vola Misakana ny fandraharahana


  • Sabotsy 13 Jolay 2019

Anisan’ny tanjon’ny politika ara-bola ataon’ny governemanta amin’ny firenena rehetra ny fampiakarana ny harinkarena faobe.

  Eo ihany koa ny fahaiza-mifehy ny vola miditra ateraky ny fanondranana sy ny vola mivoaka atao amin’ny fanafarana mba hifanahantsahana hatrany. Izany no atao mba tsy hidirana amin’ny fitrosana be (surendettement) izay tsy ahafahana manao fifanakalozana iraisam-pirenena (cessation de paiement extérieur). Ny sehatra tsy miankina ihany anefa no tena hitarafana ny vola miditra raha ny eto Madagasikara kanefa tsy manao fandraharahana mihitsy izy ireo rehefa tsy marin-toerana ny Ariary. Rehefa misy io tsy fahamarinan-toerana io dia tsy mitondra tombony ny vola nampiasaina ary tonga amin’ny fisondrotam-bidim-piainana avy hatrany. Izany no antom-pisian’ny Banky Foibe izay miezaka manamarin-toerana ny vola ahafahana manao fandraharahana hanatsara ny toekarena. Rehefa izay dia voatazona amin’ny tokony ho izy ny tahan’ny sondro-bidim-piainana ary rehefa matanjaka ny Ariary dia midina ho azy ny mety ho tanjaky ny vola vahiny ka mety amin’ny toekarena. Ankoatra izay, ny tsena ihany no hamaritra saingy tsy maintsy imasoana io fahamarinan-toeran’ny vola io.

Tsirinasolo

   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT